Manikeisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Mani.jpg|vignette|348x348px|Sarin'i Manỳ]]
Ny '''manikeisma''' dia fivavahana naorin'ilay [[Persia|Persiana]] atao hoe [[Manỳ (mpaminany)|Manỳ]] tamin'ny taonjato faha-3. Izany fivavahana izany dia fifangaroan'ny [[zoroastrisma]] sy ny [[bodisma]] ary ny [[kristianisma]]. Ankehitriny dia atao hoe manikeisma ny fiheverana na ny fihetsika manatsotra zavatra izay mamaritra sy manasaraka ny Tsara sy ny Ratsy. Nandray zavatra be dia be tamin'ny [[gnostisisma]] ny manikeisma. Ny ivon'ny fampianaran'ny manikeisma dia ny fizarany izao rehetra izao ho roa ([[doalisma]]), ahitana ny fanjakan'ny Tsara (atao hoe fanjakan'ny Fahazavana) izay anjakan' Andriamanitra, sy ny fanjakan'ny Ratsy (na fanjakan'ny Haizina) izay anjakan'i [[Satana]].
 
== Tantaran'i Manỳ sy ny manikeisma ==
 
=== I Manỳ ===
Avy amin'ny fianakaviana persiana ambony tany [[Babilona]] i [[Manỳ (mpaminany)|Manỳ]]. Olona tia vavaka ny rainy ka nitaiza azy tamin'ny fivavahana izay tokony ho ny fivavahan'ny [[Elkasaita]]. Tamin'ny faha-12 sy faha-24 taonany dia nahita fahitana i Manỳ izay nisehoan'ny [[anjely]] taminy nanendry azy ho mpaminanin'ny fivavahana vaovao sy nahazoany fanambaràna lehibe. Nandritra ny diany voalohany tany India no nahalalany ny [[bodisma]]. Narovan'ny mpanjaka Shapor I izay nanjaka tamin'ny taona 214 hatramin'ny 272 izy ka nitory teny eran'i [[Persia]] sady nandefa misionera eran'ny Empira rômana. Nanambara ny tenany ho mpaminany farany ao aorian'i [[Zaratostra]] sy i Bodà ary i [[Jesoa]] i Manỳ. Mampianatra izy fa misy ampaham-panambaràna izay tanteraka ao amin'ny fampianarany. Niteraka ny tsy fitiavan'ny [[Zoroastrisma|Zoroastriana]] izany fielezan'ny manikeisma haingana izany ka rehefa tafakatra teo amin'ny fitondrana an'i Persia i Bahram tamin'ny taona 273 dia niampanga an'i Manỳ ho mpanao fampianaran-diso izy ireo ka nandresy lahatra ny mpanjaka hanagadra azy.
 
Amin'ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana]] sy [[Fiteny siriaka|siriaka]] dia atao hoe ''Māni'', amin'ny teny grika ''Μάνης'' / ''Manês'', ary amin'ny teny latina ''Manes'' i Manỳ