Toà (vahoaka): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Vahoaka ao Roanda sy Borondy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Batwa Uganda.jpg|vignette|328x328px|Toà ao Oganda]]
Ny '''Toà''' dia vahoaka monina ao amin'ny faritry ny Farihy Lehibe ao [[Afrika]], isan'ireo atao hoe [[Pigmea]], izay fantatra amin'ny hakely sy ny hafohin'ny tenany. Izy ireo no heverina fa mponina tranainy indrindra ao amin'io faritra io. Ankehitriny dia ao [[Roanda]], ao [[Borondy]], ao [[Oganda]] ary amin'ny faritra atsinanana ao amin'ny [[Repoblika Demôkratikan'i Kôngô]] no ahitana azy ireo betsaka. Ahitana olona mitovitovy amin'ny Toà koa ny ao amin'ny alan'ny Lemak'i Congo (ny Môngô sy ny Mboty), toy izany koa ny any [[Angôla]], [[Namibia]], [[Zambia]], [[Malaoy]], ary [[Bôtsoana]].
[[Sary:Twa peoples (Hewlett & Fancher).png|vignette|329x329px]]
 
Tamin'ny taona 2000 dia tombanana eo anelanelan'ny 70 000 sy 87 000 ny isan'ny Toà, izay miparitaka amin'ny velaran-tany mirefy 100 000 km² any ho any. Vitsy an'isa ny Toà raha mitaha amin'ny mponina hafa amin'ny firenena rehetra misy azy ireo (eo anelanelan'ny 0,02 sy 0,7 %). Iharan'ny fanilohana izy ireo na amin'ny lafiny ara-pôlitika na ara-toekarena, ary tsy afaka manohitra firy ny fanavakavahana mahazo azy ireo.