Aristôty: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-19:
Izy sy i [[Platôna]], izay nampianatra azy tao amin'ny Akademian'i Platôna, dia mpandinika nanana ny maha izy azy tao amin'ny Tontolo tandrefana. Izy no isan'ireo filôzôfy vitsy izay nanoratra saika momba ny seha-pahalalana rehetra tamin'ny fotoanandrony, toy ny biôlôjia, ny fizika, ny [[metafizika]], ny [[lôjika]], ny pôetika, ny pôlitika, ny retôrika ary indraindray koa ny haitoekarena. Amin'i Aristôty ny filôzôfia dia raisiny amin'ny heviny mivelatra kokoa: sady fikatsahana ny fahalalana ny filôzôfia no fanontaniana momba ny tontolo ary siansan'ny siansa.
 
Amin'i Aristôty ny siansa dia mizara sampana telo lehibe: dia ny siansa teôrika sy ny siansa pratika ary ny siansa ampiharina. Ny siansa teôrika no sehatra tsara ampiasan'ny olona ny fotoana malalaka ananany. Isan'izany ny "filôzôfia voalohany" (na metafizika) sy ny [[matematika]], ary ny [[fizika]], izay natsoina hoe "filôzôfia natoraly". Ny siansa pratika dia mitodika amin'ny asa (''praxis'') ka ao no sehatra andinihana ny pôlitika sy ny etika. Ny siansa ampiharina indray dia mahafaoka ny sehetry ny teknika sy ny famokaran-javatra ivelan'ny olombelona, ka isan'izany ny fambolena, ny pôezia, ny retôrika, ary izay zavatra rehetra vokarin'ny olombelona. Ny lôjika indray dia tsy noheverin'i Aristôty ho siansa fa nataony ho fitaovana ahafahana mampivoatra ny siansa. Ao amin'ny asasorany atao hoe ''Organon'' no ahitana ny lohahevitra roa lehibe ilafihan'ny lôjika, dia ny silôjisma, (izay nampiavaka ny [[skôlastika]],

) sy ny kategôria (izay mamaly ny fanontaniana hoe: inona? aiza? oviana? firy? sns).
 
==Ny fiainany manokana==