Hôrosy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Andriamanitra egiptiana
 
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
I '''Hôrosy''' na '''Hôro''' dia iray amin'ireo [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] egiptiana taloha. Ny fanehoana azy fantatra indrindra dia ny sarina [[hitsikitsika]] misatroka ''skemty'' na olona milohan-kitsikitsika. Ny anarana hoe ''Hôro'' ([[Fiteny egiptiana taloha|egiptiana]]: ''Horu'') dia midika hoe "lavitra", ka mampahatsiahy ny fanidinan'ilay vorona mpihaza. Ny fanompoam-pivavahana natao tamin'i Hôrosy dia efa nisy talohan'ny tantaran'i [[Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Egipta]]. Ny tanàna tranainy napetraka ambany fiarovan'i Hôrosy dia mety ho i Nekhen, izay midika hoe "Tanàn'ny Hitsikitsika" (Hierakônpôlisy / Hierakonpolis). Hatramin'ny voalohany dia mifandray hentitra amin'ny fitondran'ny [[faraôna]] i Hôrosy amin'ny maha andriamanitra mpiaro sy andriamanitry ny fianakavia-mpanjaka azy. Ireo mpanaraka an'i Hôrosy izany no andriamanjaka voalohany teo ambany fahefany (dinastia egiptiana 0). Tamin'ny fiantombohan'ny vanimpotoan'ny tantara, ny sarin'ny hitsikitsika masina dia hita tamin'ny vatofisaka fametrahan'ny mpanjaka Narmera (''Narmer'') zavatra fanosotra amin'ny hoditra, ka hatramin'izay dia tsy afa-nisaraka tamin'ny fahefan'ny mpanjaka.
 
Ao amin'ny [[fedrà]] na angano tranainy indrindra, i Hôrosy sy i [[Seta (andriamanitra)|Seta]] dia andriamanitra tsy afa-misaraka izay manan-toetra-pifandrafesana mifandrafy, ka ny iray mandatramandratra ny iray. Avy amin'izany faifanandrinana izany i [[Tôty (andriamanitra)|Tôty]], [[andriamanitra volana]], izay heverina ho zanaka itambaran'izy roa. Tamin'ny [[Empira Voalohany tao Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Empira Voalohany]] dia nanao fivoasana momba izany fedrà izany ireo mpisorona tao Heliôpôlisy ka nampiditra an'i [[Ôsirisy]], izay môdelin'ny faraôna maty lasa andriamanitra. Izany [[teôlôjia]] vaovao izany dia nanamarika ny fisehoan'ny fedrà mômba an'i Ôsirisy izay anehoana an'i Hôrosy ho zanak'i Ôsirisy taorian'ny nahafatesany, izay nateraky ny asa majikan'i [[Isisy (andriamanitra)|Isisy]] reniny. Noho izany dia misahana anjara asa lehibe i Hôrosy. Niady tamin'ny dadatoany Seta izay nampono an-drainy izy, ka nandresy sy nisambotra azy. Naetry voninahitra i Seta ka i Hôrosy no voahosotra ho faraônan'i Egipta ary ny rainy no napetraka ho mpanjakan'ny any an-koatra. Talohan'ny hiadiany amin-kery tamin'ny dadatoany anefa dia botry keliray i Hôrosy. Amin'ny maha andriamanitra-zaza azy, i Hôrosy dia môdelin'ny zazakely tandindomin'ny loza isan-karazany eo amin'ny fiainana. Matetika izy no saika indaosin'ny fahafatesana, ka lasa zaza mandresy hatrany ny fahasahiranana eo amin'ny fiainana. Noho izany dia andriamanitra mpanasitrana sy mpamonjy mahomby dia mahomby izy amin'ny ady atao amin'ireo hery ratsy.
 
Ankoatry ny toetra itambarany amin'ny fianakaviany sy maha mpanjaka azy dia andriamanitry ny zavatra rehetra i Hôrosy, andriamanitra miendrika angano ka ny [[Masoandro]] sy ny [[Volana]] no masony. Ny mason'i Hôrosy ankavia, atao hoe ''Irt udjat'' ("Maso mpiaro"), dia eva (famantarana) mahery akambana amin'ny fanatitra amin'ny fandevenana, aterina amin'i Tôty sy amin'ny Volana ary amin'ireo endrika fisehon' ny Volana. Io maso io, izay noratrain'i Seta sy nositranin'i Tôty, no zava-manazava amin'ny alina izay miverimberina manjavona sy mitranga indray eny amin'ny lanitra. Izany fahavelomana miverilberinamiverimberina izany dia mamintina miverimberina ny fahateran'ny maty egiptiana rehetra indray.
 
Ivavahana manerana ny faritra rehetra tao Egipta i Hôrosy amin'ny endriny maro samihafa. Ao Edfo, izay iray amin'ireo tempoly tsara tarehy naorina tamin'ny vanimpotoan'ireo Ptôlemaiosy, dia voatsidiky ny sarivongan'ny andriamanibavy Hatôra avy any Denderah, miaraka amin'i Harsômtosy, isan-taona i Hôrosy, ka mamorona andriamanitra kamban-telo (triada). Tao Kôna Ômbô dia nakambana tamin'i Sôbeka (andriamanitra voay) i Hôrosy Antidahy (Hôrôerisy). Noho izany lzan yizany dia niely hatrany ivelan'i Egipta ny fivavahana amin'i Hôrosy, indrindra tany [[Nobia]]. Nanomboka tamin'ny vanimotoanavanimpotoana farany tamin'ny tantaran'i Egipta, vokatry ny fivavahana amin'i Isisy, dia nalaza ny andriamanitra zazakely (''Harpôkratesy'') tamitamin'ireo faritra manodidina ny [[Ranomasina Mediteranea]] mandray ny akon'ny kolontsaina grika sy [[Empira Rômana|rômana]].