Kristôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-2:
 
== Ny finoan'ny Kristiana an'i Jesoa teo amin'ny tantara ==
Ny Kristiana dia mino fa [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|zanak'Andriamanitra]] i Jesoa nefa ny fiangonana tsirairay dia samy manana ny fomba finoany azy. Araka ny [[Filazantsara]] dia efa nisy talohan'izao rehetra izao i Jesoa. Izy no ilay Teny (na Logos) izay [[Famoronana (finoana sy fedrà)|nahariana]] izao tontolo izao. Izy no ilay Teny [[Fahatongavana ho nofo (kristianisma)|tonga nofo]]. Talohan'ny [[Konsily voalohany tao Nikea]] dia tsy tena nazava tsara ny amin’ny fiheverabafiheverana an'i Kristy sy ny Trinite. Nisy ny ady hevitra ary maro ireo nampangaina ho mpanao fampianaran-diso noho ny fiheverany ny amin'i [[Jesoa]] sy ny [[Fanahy Masina]] tsy mifanaraka amin'ny fanapahan-kevitra ofisialin'ny Fiangonana tamin'izay.
 
=== Ny finoana ny maha Andriamanitra an'i Jesoa ===
Ho an'ny fiangonana kristiana mino ny [[Trinite]] dia Andriamanitra [[Fahatongavana ho nofo (kristianisma)|tonga nofo]] i Jesoa Kristy. Tsy zanak' Andriamanitra fotsiny ihany izy fa [[Andriamanitra Zanaka]]. [[Persona (teolojia)|Personan]]' Andriamanitra i Jesoa sahala amin'ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny [[Fanahy Masina]] izay samy persona avokoa. Manana toetra roa izy: sady olona no Andriamanitra. Naterak' Andriamanitra Ray fa tsy natao. Ny [[Fiangonana katolika]] sy [[Fiangonana ortodoksa]] arysy ny [[Fiangonana protestanta]] ary ny [[Evanjelisma|Fiangonana evanjelika]] maro dia mino ny Trinite.
 
Ny [[Konsily voalohany tao Nikea]] na Nisea dia namahàna ny olana nisy tamin'ny fomba fiheverana an'i Jesoa. Isan’ireny ny amin’ny hevitr'i [[Ariosy]] sy ny namany izay tsy nanaiky ny fitoviam-pomba (na fitovia-[[Natiora (teôlôjia)|natiora]] na fitovian-tsobstansafitoviana [[Sobstansa (teôlôjia)|sobstansa]]) eo amin’i Jesoa sy ny Ray. Nivoaka ny [[Fanekem-pinoana nikeana]] amin'ny endriny volohany. Nekena ho finoana marina ([[Fiteny latina|latina]]: ''ortodoxia'') ny finoana ny Trinite. Maro koa ny zavatra notapahina nandritra ny [[Konsily voalohany tao Konstantinopoly]] ka isan’ireny ny fanamafisana ny amin’ny maha-mitovy fomba (na mitovy sobstansa) ny Fanahy Masina amin’ny Zanaka sy ny Ray. Nivoaka tamin’izany ny [[Fanekem-pinoana nikeana|Fanekem-pinoan'i Nikea sy Konstantinopoly]] izay tsy inona fa ny Fanekem-pinoana nikeana amin'ny endriny lava kokoa.
 
=== Ny tsy finoana ny maha Andriamanitra an'i Jesoa ===
Misy ny fiangonana izay mihevitra fa ny teny hoe ''zanak' Andriamanitra'' dia sarinteny fotsiny na teny azo ampiharina amin'ny olona rehetra izay mino an'Andriamanitra sy manao ny sitrapony. Misy amin'ireo fiangonana ireo ny manao an'i Jesoa Kristy ho olona fotsiny fa [[Adoptianisma|natsangan' Andriamanitra]] ho zanany.
 
Araka ny [[Arianisma (teolojia)|arianisma]] dia ny Ray ihany no tena Andriamantra, izay sady tsy nateraka no tsy noforonina. Tsy mitovy natiora amin’Andriamanitra ny Zanaka sady tsy mandrakizay ny fisiany satria noforonina. Araka ny fampianaran'ny [[adôptianisma]] dia tsy tonga zanak’Andriamanitra i Jesoa raha tsy nanomboka teo amin’ny fanaovan’i Joany batisa azy teo amin’ny onin’i [[Jordana (ony)|Jôrdana]]. Zanaka natsangan’Andriamanitranatsangan’ Andriamanitra i Jesoa fa tsy Andriamanitra. Olombelona i Jesoa.
 
== Jereo koa: ==