Faritra Sava: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-14:
Ny '''faritra Sava''' dia [[faritra]] ao amin'ny [[Faritanin'Antsiranana|faritanin' Antsiranana]], any avaratr'i [[Madagasikara]]. Ny renivohiny dia [[Sambava]]. Ny [[faritany]] dia ao amin'ny amorontsiraka avaratra atsinanan'i [[Madagasikara]]. Izy io dia mizara sisintany amin'ny faritra [[Diana]], any avaratra andrefana, ny [[Sofia]] any atsimo andrefana ary ny faritra [[Analanjirofo]] any atsimo. Ny isam-ponina dia 805 300 tamin'ny [[2004]] ary ny velarantany dia 25 518 {{km2}}.
 
Ny faritra Sava dia voazara distrika efatra : [[Distrikan'i Sambava|Sambava]], [[Distrikan' Antalaha|Antalaha]], [[Distrikan'i Vohemar|Vohemar]] ary [[Distrikan' Andapa|Andapa]]. Ny anaran'ny faritra dia avy amin'ny lohasoratr'ireo distrika ireo : '''S'''ambava, '''A'''ntalaha, '''V'''ohemar ary '''A'''ndapa. Ireo tanàna ireo dia milaza-tena ho « Renivohitry ny [[lavanila]] », satria io faritra io no tena mpamoaka lavanila indrindra eto an-tany.
 
Ireto avy ireo distrika ao amin'io faritra io: