Fedrà: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''fedrà''' dia tantara na hevitra foronin'ny saina ho enti-manazava ny zava-mitranga eto amin'izao tontolo izao na eo amin'ny [[fiarahamonina]] ary indrindra natao hanorenana ny fanao eo amin'ny fiarahamonina araka ny anjara toeran'ny soatoavina fototra ao amin'ny fiarahamonina mitady ny fiombonana<ref><small>Alain Cabantous, ''Mythologies urbaines: Les villes entre histoire et imaginaire'', Presses universitaires de Rennes, 2015, p. 11.</small></ref>. Amin'ny alalan'ny [[lovantsofina]] am-bava no mampita azy amin'ny voalohany, izay manolotra fanazavana ny endrika fototra ao amin'ny tontolo sy ny fiarahamonina nanefy na nampita io fedrà io.

Ny mpanoratra malagasy sasany dia mampiasa ny teny hoe ''angano''. Amin'ny ankapobeny dia fitantarana ahitana [[tandindona]] manazava ny niavian'izao tontolo izao sy ireo [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]], ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]] ny [[biby]] sy ny [[olombelona]]; ny fiavian'ny [[lovantsofina]] sy ny fombafomba ary ny endrika sasany amin'ny asa ataon'ny olombelona<ref><small>"Mythologie", ''Microsoft Encata 2009''</small></ref>. Fitantarana anorenana ny fomba amam-panao eo amin'ny fiarahamonina ny fedrà, ary ny [[firenena]] na ny vahoaka rehetra dia samy manana fedrà.
 
Hoy Razafintsalama raha miresaka ny amin' ny fedrà: "''ny fedrà dia tsy mikendry ny hitantara zava-nitranga tamin'ny toerana na vanim-potoana azo faritana'', fa ''maneho an'ohatra fa nisy hatrizay, mbola misy ary hisy hatrany ny fototra tsy azo hozongozonina iorenan'ny maha-olona ny olona, ny maha-lehilahy ny lehilahy ary ny maha-vehivavy ny vehivavy''; toraka izany ''ny fototra iorenan'ny rafi-piaraha-monina sy ny fomba vaventy iakinan'ny fifandraisana mirindra eo amin'ny mpiara-belona''. Izany hoe, karazana ''teolojia ntaolo ny fedrà''"<ref><small>Razafintsalama, P. A., ''Taridalana ho enti-manadihady ny finoana sy ny fomba malagasy'', Edisiôna Md Paoly, Antananarivo, 1998, p.20.</small></ref>.
 
== Ny teny hoe ''fedrà'' sy ny mitovy hevitra aminy ==
Matetika dia mifandray amin'ny [[fivavahana]] ny fedrà ka mahatonga ny mpanoratra amin'ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] sasany, indrindra ny teolojiana[[Teôlôjia|teôlôjiana]], hampiasa ny andian-teny hoe ''angano masina'' na ''anganom-pinoana'' na ''anganom-pivavahana,'' na dia tsy voatery ho momba ny fivavahana na ny finoana ny fedrà fa mety hikasika ny fiarahamonina na ny fitondram-panjakana na zavatra hafa izay tsy ahitana resaka fahamasinana.
 
Araka an'i Jacques Faublée, izay nanangona tantara tany amin'ny faritry ny Malagasy bara dia "tantaram-piandohana" no hevitry ny teny hoe ''fedrà'' (4)<ref><small>Faublée, Jacques, ''Récits bara'', Institut d'Ethnologie, Musée de l'Homme, 1947, p. 14.</small></ref>.