Vondrom-piteny kôisàna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Khoi-San.png|vignette|356x356px]]
Ny '''fiteny koisànakôisàna''' na '''fiteny koizànakôizàna''' dia vondrom-piteny tenenin'ny vahoaka koikoy (na hoihoy) sy ny vahoaka sàna ao amin'ny faritra atsimo ao Afrika, indrindra ao [[Bôtsoana]], ao [[Namibia]], ao amin'ny faritanin'i Noord-Kaap ao [[Afrika Atsimo]], ary ao amin'ny tapany atsimon'i [[Angôla]].
 
Ny fiteny koisàna dia miavaka noho ny fampiasany renifeo atao hoe klika. Ny fiteny kongekoka dia mampiasa karazana klika mihoatra ny 50 amin'ny hasim-peo miisa 140.
 
Tsy mamorona [[fianakaviam-piteny]] tokana ireo fiteny koisàna ireo nefa azo zaraina ho fianakaviam-piteny telo miavaka tsara, afa-tsy ny fiteny hadza sy ny fiteny sandaoe izay heverina fa fiteny manirery. Ny teny hoe ''koisàna'' dia teny enti-manondro ireo fiteny rehetra ao Afrika misy klika sady tsy mifamatotra amin'ireo fianakaiam-piteny telo lehibe fantatra tsara ao amin'io kontinenta io, dia ny [[fiteny afro-aziatika]] sy ny [[fiteny nilo-sahariana]] ary ny [[fiteny nizero-kongoley]]. Ny fiteny koisànakôisàna be mpiteny indrindra dia ny [[fiteny koikoy]] (na [[fiteny hoihoy]]), fitenin'ny foko Nama, izay isan'ireo folo lehibe ao Namibia.