Sobstansa (teôlôjia): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Sobstansa (teolojia) ho Sobstansa (teôlôjia) i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny teny hoe '''sobstansa''' dia teny ampiasaina ao amin'ny [[teolojia|teôlôjia]] kristiana hiresahana momba ny fifandraisan'ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|Zanaka]] ary ny [[Fanahy Masina]]. Teny nohagasina avy amin'ny [[teny latina]] hoe ''substantia'', izay nampiasaina tao amin'ny Fiangonana tandrefana miteny latina, ny hoe ''sobstansa''. Ny [[teny grika]] mifandraika aminy dia ny hoe ''οὐσία / ousίa'', izay nampiasaina tao amin'ny Fiangonana tatsinanana miteny grika. Manoloana io famaritana ny fifandraisan'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina io dia niseho ny firehana sy fampianarana samihafa toy ny [[hômôosisma]] sy ny [[hômôiosisma]] ary ny [[heterôosisma]] na [[anômeisma]].
 
== Hevi-teny sy dikan-teny ==
Andalana faha-7:
 
=== Hevi-teny teolojika ===
Ny Fiangonana tandrefana no nampiasa ny teny latina hoe ''substantia''. Ny sobstansan' Andriamanitra dia ny "maha izy azy an' Andriamanitra", ny fototra maha Andriamanitra an' Andriamanitra, ny tsy itovian' Andriamanitra amin'ny zavatra noforonina. Ampiasaina ny teny hoe ''substantia'' rehefa hanao fampisampanan-teny ka ahazoana ny hoe ''consubstatialita''. Mitovy ''substantia,'' hoy ny mpanohana ny Trinite, ireo [[PersonaPersôna (teolojiateôlôjia)|persona]] telon' Andriamanitra ka izany fitovian'ny ''substantia'' izany no atao hoe ''consubstatialita''. Ny Fiangonana tatsinanana dia nampiasa ny teny grika hoe ''ουσία'' / ''ousia'', izay mitovy hevitra amin'ny teny latina hoe ''substantia''. Ilay atao hoe ''consubstatialita'' amin'ny teny latina dia atao hoe ''ὁμοούσια'' / ''homoousia'' amin'ny teny grika.
 
=== Dikan-teny malagasy ===
Ao amin'ny [[fanekem-pinoana nikeana]] ampiasain'ny [[Protestantisma eto Madagasikara|fiangonana protestanta malagasy]] dia izao no voasoratra: "miray ''Sobstansa'' (izay maha-Izy Azy) amin'ny Ray", fa ao amin'ny fiekem-pinoana niseana ampiasain'ny [[Eglizy Katolika Apostolika Romana (Madagasikara)|fiangonana katolikakatôlika]] malagasy dia ahitana ny hoe "iray ''fomba'' amin'ny Ray".
 
== Ny "fampianarana marina" momba ny sobstansa ==
 
=== Ny hômôosisma ===
Ny [[hômôosisma]] dia fampianarana izay ilazana fa mitovy sobstansa amin'ny Ray ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ka noho izany dia Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka ary Andriamanitra ny Fanahy Masina. Tsy andriamanitra telo anefa ireo fa Andriamanitra tokana. Tamin'ny [[konsily voalohany tao Nikea|kônsily voalohany tao Nikea]] tamin'ny taona 325 no nampidirana izany tao amin'ny fampianaran'ny Fiangonana. Tamin'izany no nanamelohana ny fampianaran'i [[Ariosy]]. Nohamafisina tao amin'ny konsily manaraka maro izany sady noraketina tao amin'ny [[fanekem-pinoana]] kristiana maro, indrindra ny [[fanekem-pinoana nikeana]]. Izay rehetra tsy nanaraka ity fampianatrana ity fa nanao fampianarana hafa momba ny sobstansan'ny Ray sy ny an'ny Zanaka ary ny an'ny Fanahy Masina dia nampangaina ho nanao [[Fampianaran-diso (fivavahana)|fampianaran-diso]] ka natao hoe heretika.
 
Ny Zanaka izay nateraky ny Ray dia miray sobstansa na iray fomba amin'ny Ray, ary ny Fanahy Masina izay nivoaka avy amin'ny Ray (sy avy amin'ny Zanaka, hoy ny Fiangonana tandrefana) dia miray sobstansa na iray fomba amin'ny Ray koa.
 
== Ny "fampianaran-diso" momba ny sobstansa: ny arianisma ==
Ny [[Arianisma (teolojia)|arianisma]] dia nino fa ny [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|Zanak' Andriamanitra]] dia nisy talohan'izao tontolo izao nefa noforonin' Andriamanitra mivantana sady eo ambany fahefan' Andriamanitra Ray ([[Sobordinatianisma|sobôrdinatianisma]]). Ny fomba fijerin'i Ariosy dia izao: nateraka ny Zanaka ka toy ny noforonin' Andriamanitra voalohany indrindra ary avy eo namorona ny zava-drehetra tamin'ny alalan'ny Zanaka ny Ray. Ny [[fanekem-pinoana]] ariana fahafito (fanekem-pinoana faharoan'i Sirmioma) dia manambara fa ny ''homoousios'' (mitovy ''ousia'' na ''sobstantia'') sy ny ''homoiousios'' (''substantia'' na ''ousia'' mifanahaka) dia tsy araka ny [[Baiboly]], lehibe noho ny Zanaka ny Ray. Izany fanekem-pinoana izany dia fantatra taty aoriana amin'ny anarana fanaratsiana hoe "Blasfeman'i Sirmioma". Maro ny endrika nisehoan'ny arianisma ka isan'izany ireo horesahina ao aoriana ireto, raha momba ny sobstansa. Tsy dia nisahirana loatra tamin'ny fifandraisan'ny Ray amin'ny Fanahy Masina ny Ariana raha momba ny sobstansa. Ireo izay tsy manao ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ho Andriamanitra dia isan'ireo lazaina fa manao fampianaran-diso manohitra ny [[hômôosisma]].
 
=== Ny arianisma ===
Andalana faha-37:
Misy koa ireo izay nilaza fa tena tsy mitovy (grika: ''ἀνὅμοιος'' / ''anomoios'') amin'ny Ray ny Zanaka.
 
=== Ny monarkianismamônarkianisma ===
Ny [[monarkianisma|mônarkianisma]] dia vondrom-pampianaram-pinoana kristiana niseho tamin'ny taonjato faha-2 sy faha-3 izay mifanohitra amin'ny fampianarana ny amin'ny [[Trinite]]. Ireo fampianarana ireo dia manantitra ny maha tokana an' Andriamanitra ([[monoteisma]]) ao amin'ny fivavahana kristiana. Amin'ireo mpanaraka ireo fampianarana ireo dia tsy [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|zanak'Andriamanitra]] sady samy hafa amin'ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] i [[Kristy]]. Nizara roa ny Monarkiana, dia ny [[Adoptianisma|AdoptianistaAdôptianista]] sy ny [[Modalisma|ModalistaMôdalista]]: ny Adoptianista dia mihevitra fa tsy manam-piaviana araka an' Andriamanitra i JesosyJesoa fa olona ihany nefa natsangan' Andriamanitra ho zanany tamin'ny nanaovana [[batisa]] azy.
 
Ireto koa ny fampianarana hafa isan'ireo mitsipaka ny firaisam-pomban'ny Ray sy ny Zanaka: ny [[psilantropisma|psilantrôpisma]], ny [[sotsinianisma]], ny [[sobôrdinatianisma]] ary ny [[Onitarisma (teolojia)|onitarisma]].
 
== Jereo koa ==
 
* [[Natiora (teolojiateôlôjia)]]
 
* Persôna (teôlôjia)
* [[Persona (teolojia)]]