Bodisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-6:
Tamin'ny taona 2018 dia niisa 623 tapitrisa ny Bodista maneran-tany, izay mametraka io fivavahana io amin'ny laharana fahefatra aorian'ny [[kristianisma]] sy ny [[finoana silamo]] ary ny [[hindoisma]]. Nisy fihemorana ny isan'ny mpanaraka azy tamin'ny taonjato faha-20 noho ny fanenjehan'ny fitondram-panjakana kômonista azy tao [[Sina]] sy tao [[Indôsina]].
 
Fitambarana fanao misandrahaka ny bodisma ka hita ao ny fandinihan-tena, ny vavaka, ny fanatitra, ny fitandramana ara-pitondrantena, ny hevitra ara-psikpolôjia sy ara-pilôzôfia; ny fampianarana momba ny fahaterahan'izao rehetra izao sy ny fiheverana momba izany, ka ny fomba fijerin'ny "mifohavoafoha" (''bodhi'') no entina manakatra izany rehetra izany. Toy ny [[jainisma]] ihany koa bodisma izay avy amin'ny fomba sramana (''shramana'') fa tsy avy amin'ny [[brahmanisma]] (toy ny hindoisma).
 
Ny fampianaran'ny bodisma mikasika ny [[andriamanitra]] sy ny fomban'andriamanitra dia tsy itoviany amin'ny an'ny fivavahana hafa: azo heverina ho fivavahana tsy manana andriamanitra mpamorona ny bodisma; satria tsy misy firesahana momba ao amin'ny ankamaroan'ny sampan'ny bodisma, ny fitsaohana sy ny fanompoam-pivavahana amonamin'iny [[Bodà]] amin'ny maha e [[bhagavat]] azy dia mandray anjara lehibe ao amin'ny [[teravada]] sy ao amin'ny [[mahaiana]], izay manao an'i Bodà ho ''Bodhi'' ("mifohavoaifoha") manana ny vatam-pisehoana telo sosona atao hoe ''trikāya''.
 
== Jereo koa ==