Mitraisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fivavahana tatsinanana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''mitraisma''' na '''fivavahana amin'i Mitra''' dia [[fivavahana]] misy zava-miafina, izay tokony niseho tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. tany [[Persia]], ka i [[Mitra (andriamanitra)|Mitra]] no andriamaniny. Rava ny fivavahana tamin'i Mitra tany Persia tamin'ny fiforonan'ny [[zôrôastrisma]]. Niroborobo io fivavahana io tao amin'ny [[Empira rômana]] tamin'ny taonjato voalohany hatramin'ny faha-4 taor. J.K. Mampiady hevitra ny mpikaroka momba ny fivavahana ny fifandraisan'ny fivavahana amin'i Mitra tao Persia sy ny tao amin'ny Empira rômana. Nahatrara ny fara tampon'ny lazany ny mitraisma tamn'ny taonjato faha-3. Ireo miaramila rômana no tena mpitia ny fivavahana amin'i Mitra.
 
Ny mitraisma dia nisy akony teo amin'ny fivoaranan'ny [[manikeisma]] izay nifaninana fatratra tamin'ny fivavahana kristiana.
 
Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-4 dia nanenjika sy nanafoana ny fivavahana hafa tsy ny krostianisma ny emperora [[Teôdôsio I]]. Ny didim-panjakana iray nivoaka tamin'ny taona 391 dia nampandrava na nanova ho fiangonana kristiana ny tempoly tsy kristiana maro ka rava noho izany ny mitraisma.