Magreba: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-3:
[[Sary:Marokko von Spanien-5.jpg|thumb|220px|ankavanana|Ny morontsiraka Marokana tazanina avy eo Espaina]]
 
i '''Magreba''' dia fariteafaritra any [[Afrika Avaratra]] eo anelanelan'ny [[ranomasina Mediteranea]], ny [[Sahara]] ary ny [[ranomasimbe Atlantika]]. Amin'ny [[teny arabo]] izy dia atao hoe ''al-Maghrib'', fa amin'ny [[teny berbera]] dia ''Tamazgha.''
 
Ny mpanjanatany arabo voalohany tonga teo amin'io faritra io dia nanonona io azy io hoe ''Jazirat al-Maghrib''. Ankehitriny i Magreba dia mamondrona an'i [[Tonizia]] sy i [[Aljeria]] ary i [[Marôka]]. Ankehitriny, mba tsy hifangaro dia lazaina hoe "Magreba kely" na "Magreba Afovoany" ny firenena telo maka ny saikanosy atlasianina any Afrika Avaratra. Ao amin'ny "Magreba Lehibe" dia misy an'i [[Maoritania]] sy i [[Sahara Andrefana]] ary i [[Libia]].
 
Ny velarantanin'i Magreba dia 5 tapitrisa km<sup>2</sup> voazara eo anelanelan'ny lemaka Mediteraneanina sy ny faritr'i [[Sahara]]. Ny [[Tanimaty|tanimati]]<nowiki/>n'i Sahara dia maka ny ankabeazan'ny Magreba. Ny isa-mponina ao Magreba dia misy 73 tapitrisa, eo amin'ny morontsiraka, be latsakorana kokoa, ny ankabeazan'ireo 73 tapitrisa ireo. Betsaka ny harena an-kibon'ny tany toy ny [[fôsfaty]] sy [[vy]] ary ny akoran'angovo ([[etona]] sy [[solitany]]).