Fivavahana tao Arabia talohan' ny fivavahana silamo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fivavahana tao Arabia
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 29 Jiona 2020 à 16:32

Ny fivavahana tao Arabia talohan'ny fivavahana silamo dia nahitana fivavahana amin' andriamanitra maro (pôliteisma), ny fivavahana kristiana, ny jodaisma ary fivavahana iraniana maro. Ny politeisma no tena nanjaka tamin'ireo fivavahana ireo, ka nisy ny fanompoam-pivavahana natao amin'ny andriamani-dahy sy andriamani-bavy isan-karazany, isan'izany i Humbal sy ny andriamani-bavy al-Lāt sy Al-‘Uzzá ary Manāt, izay nanana tempoly tahaka ny Kaaba ao Maka. Ireo andriamanitra ireo dia tokavina amin'ny alalan'ny fombafomba samihafa, ka isan'izany ny fanaovana fivahiniana masina sy ny fisikidiana ary ny fanaovana sorona. Nanjaka ny fanompoana sarivongana (fanompoan-tsampy), ka voalaza fa tao Maka fotsiny dia nahitana sarivongan' andriamanitra hatramin'ny 360.

Nisy koa ireo fivavahana hafa izay tsy dia be mpanaraka. Ny akon'ny kolontsaina avy tao amin'ny Empira rômana sy ny Empiran'i Aksoma ary ny Empira sasanida dia hita taratra tao amin'ireo fianakaviambe kristiana tao amin'ny tapany avaratra andrefana sy avaratra atsinanana ary atsimon'ny Saikanosin'i Arabia. Tsy dia nisy fiantraikany firy ny kristianisma, afa-tsy ny firehana nestoriana hita tao avaratra atsinanana sy tao amin'ny Helodrano Persika. Ny endriky ny kristianisma tena nanjaka dia ny miafizisma (na miafizitisma).

Ny Saikanosin'i Arabia dia nandray koa ireo Jiosy mpifindra monina hatramin'ny vanimpotoana rômana, izay nampianan'ireo mponina tompon-tany izay niova ho amin'ny jodaisma.

Ny akon'ny kolontsaina avy ao amin'ny Empira sasanida dia vokatry ny fisian'ireo fivavahana iraniana tao amin'ilay saikanosy. Ny zôrôastrisma dia hita tao amin'ny tapany atsinanana sy atsimon'i Arabia.