Iràna Lehibe: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tontolo iaraniana
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 29 Jiona 2020 à 09:41

I Iràna Lehibe na ny Tontolo iraniana na Persia Lehibe na Persa Lehibe dia ny faritra izay itenenana ireo fiteny iraniana sy ireo faritra nikambana tao amin'ny Persia (na Persa) na ny Empira persiana. Misy ny mpanoratra mampiazsa teny azo aduika amin'ny hoe "Kôntineta ara-kolontsaina iraniana" na "Kôntinenta ara-kolontsaina persiana" (na "Kôntinenta ara-kolontsaina persa"). Tsy nanana sisin-tany raikitra na oviana na ovina ny Tontolo iraniana sady tsy nanana famaritana mazava tsara. Misy anefa ireo mamaritra azy ho ny fitambaran'ny tanin'ireto firenena ankehitriny ireto: i Afganistàna, i Azerbaijàna ary ireo repoblika ao Azia Afovoany. Ny hafa indray mamaritra azy ho ny fitambar'ny ampahany lehibe amin'i Kaokazy sy amin'i Afganistàna ary amin'i Azia Afovoany, ka mipaka hatrany Sina sy India ary amin'ireo firenena miteny semita izay niharan'ny kolontsaina iraniana koa izany.

Atao hoe ایران بزرگ / Iran-e Bozorg na ایران‌زمین / Iran-zamîn (izay midika hoe "tanin'i Iràna") ny Tontolo Iraniana amin'ny teny persàna.