Fivavahan-drazana afrikana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fivavahana afrikana
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 27 Jiona 2020 à 12:53

Ny fivavahan-drazana afrikana dia fivavahana maro aty Afrika sy any amin'ny tany hafa izay nolovan'ny Afrikana monina aty atsimon'i Sahara tamin'ireo razany tany aloha, fa tsy nampidirina avy any ivelany toy ny fivavahana kristiana sy ny fivavahana silamo, ohatra. Mampianatra ny fisian'ny fanahy sy ny andriamanitra ary ny hery hafa isan-karazany ireo fivavahana ireo, metetika ny mpanaraka azy dia mivavaka amin'ny fanahin'ny razana sady mino ny fisian'ny Andriamanitra Faratampony sady mpamorona. Miovaova arakaraka ny kolontsaina isam-paritra aty Afrika ny endriky ny fivavahan-drazana afrikana.

Amin'ny ankapobeny, ny fampianaran'ireo fivavahana ireo dia tsy voasoratra fa miampita am-bava. Inoana ny fisian'ny andriamanitra ambony sy ny andriamanitra ambany, matetika dia inoana ny fisian'ny Andriamanitra faratampony sady mpamorona, mifangaro amin'ny fitsaboana nentim-paharazana koa izany. Misy amin'ireo fivavahana ireo no azo lazaina ho manana endrika animista (mino ny fa ny zavatra sasantsasany toy ny vato sy ny hazo sy ny biby sns dia mety manana fanahy), ny sasany ho pôliteista (mino ny fisian'ny andriamanitra na maro), ny sasany ho panteista (mino fa ny zavatra rehetra dia samy manana ampahan'ny maha andriamanitra).

Ao koa ireo fivavahana izay mino ny fisian'ny Andriamanitra tokana faratampony (miova arakaraka ny faritra sy ny firenena ny anarany: (Chukwu, Nyame, Olodumare, Ngai, Roog, sns. Ny sasany mino ny fisian'ny andriamanitra roa lahy sy vavy (doalista) (ohatra: s Mawu-Lisa). Ny fiinoana ny fisian'ny fiainana aorian'ny fahafatesana sy ny fisian'ny tontolon'ny fanahy ary fivavahana amin'ny razana, dia isan'ireo singa fototra mamaritra ny fivavahan-drazana afrikana. Ny fivavahan-drazana afrikana sasany dia niharan'ny akon'ny fivavahana silamo sy ny hindoisma.

Matetika ny mpandala ny fivavahan-drazana afrikana dia mitsipaka ny filazana fa animisma, paganisma na fetisisma ny fivavahany. Ny fampitahan'ny mpanoratra eorôpeana ny fivavahana afrikana amin'ny fivavahana abrahamika, indrindra ny kristianisma sy ny fivavahana silamo, ho modely fenon'ny atao hoe "fivavahana", noheverna fa nahatonga izany.

Ankehitriny ny mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana dia hita amin'ny firenena miisa 43 aty Afrika, ka tombanana eo anelanelan'ny 100.000.000 sy 200.000.000, ka 70%n'ny mpanaraka ny fivavahan-drazana maneran-tany izany, ary 12%n'ny mponina aty afrika, raha 45%n'ny Afrikana no Kristiana ary ny 40% no Miozolmàna.

Miparitaka indrindra any ivelan'i Afrika ny fivavahan-drazana afrikana, indrindra any Amerika. Ahitana azy ireo koa ny any Eorôpa. Izany fielezany izany dia vokatry ny fanandevozana sy ny fivarotana andevo tamin'ny tany manodidina ny Ranomasimbe Atlantika: any Brezila, any Kiobà, any Haitỳ, any Amerika Avaratra, any Jamaika, any Trinidada.

Mandritra ny fanompoam-pivavahana amin'ny ireo zanahary sy ny fanahy isan-karazany na amin'ny razana dia matetika ahitana fisotroana zava-pisotro, fanaovana sorona (biby, anana, sakafo masaka, voninkazo, vato sarobidy, volafotsy, volamena, sns), fanaovana sikidy.

Jereo koa