Vola: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Marika: Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-21:
 
Ao amin'ilay ohatra nolazaina teo ambony, mety tsy nila voankazo ilay mpihazana fa kibay hazo. Ho sarotra inay ny fifanakalozana, satria mila mpiangoty iray vonona hanakalo ny voankazony ary mpanapaka hazo vonona hanakalo voankazo amin'ny kibay.
 
== Karazan-javatra atao vola ==
Betsaka ireo karazan-javatra efa natao vola. Anisan'ireo:
 
* [[Akorandriaka]]
* Vola azo atao entana
* Vola taratasy azo avadika
* Vola tsy azo avadika
* Petra-bola any amin'ny banky
* Vola elektronika
 
Ny vola azo atao entana dia azo ampiasaina amin'ny zavatra hafa izay tsy fifanakalozana, ka lazaina hoe manana sanda anaty, satria manana ny sandany manokana noho ny filana azy. Ireo karazana vola azo atao entana dia ny landy, ny [[biby fiompy]] sy ny [[volamena]] ary ny [[volafotsy]]. Ny vola azo avadika dia vola azo avadika volamena na volafotsy. Ny mari-pananana [[Mari-pananana volamena|volamena]] na volafotsy dia azo avadika vola taratasy noho izy ireo azo avadika tanteraka ho volamena na volafotsy.
 
Ny vola tsy azo avadika dia vola tsy azo avadika ho volamena na volafotsy. Ny lelavola dia vola tsy azo avadika ary voadidin'ny governemanta ho vola. Izany no volam-pirenena azo ifanakalozana. Vola ampiasaina amin'ny petra-bola any amin'ny banky ny lelavola.
 
Ireo karazana petra-bola:
 
* Tahiry
* Petra-bola
* Vola mandry
* Mari-pananana azo iadiana varotra
 
[[Sokajy:Toe-karena]]