Sora-tsikidy malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Sikidy malagasy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''sora-tsikidy''' dia ny endrika alain'ny tsanganan-tsikidy na andalan-tsikidy arakaraka ny filaharana sy ny isan'ny voan-tsikidy mamorna azy. Samy manana ny anarany ny sora-tsikidy tsirairay araka ny isa sy ny fipetraky ny voa ao aminy. Izany dia tsy miankina amin'ny toerana misy ilay tsanganana na andalana ao amin'ny fàfana. Noho izany, na dia samy ''Tale'' ohatra dia tsy voatery hitovy ny isa sy ny filaharan'ny voa ao aminy. Ireo anarana ireo dia avy amin'ny [[teny arabo]] nefa efa nampifanarahin'ny Malagasy amin'ny firafitry ny feon-teniny sady matetika dia very ny tena fifandraisany ka indraindray mifandiso. Izany fifandisoana izany dia hita koa na amin'ny samy [[teny malagasy]] aza.
 
=== Ny anaran'ny sora-tsikidy ===
Ny sora-tsikidy dia mitondra anarana izay misy tsy fitoviam-panononana araka ny faritra eto Madagasikara. Misy koa ny anarana roa na maro nefa manondro tsanganana iray. Ireo anarana ireo dia manondro ny fiheverana na ny toetran'ny mpitana anjara asa toy ny ''Talé, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, sns.''