Pôliteisma: Fahasamihafan'ny versiona

tsy misy ambangovangom-panovana
k (nanova ny anaran'i Politeisma ho Pôliteisma i Thelezifor)
Aucun résumé des modifications
[[Sary:Gods.jpg|vignette|310x310px|Ny fianakaviamben'ny andriamanitra grika]]
Ny [[politeisma|'''politeismapôliteisma''']] dia [[fivavahana]] na fiheverana filozofika[[Filôzôfia|filôzôfika]] inoana ny fisian'ny [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] maro sy anompoana azy ireo. Isan-karazany ny endrika isehoan'ny fivavahana amin'andriamanitra maro. Amin'ny ankapobeny dia inoana ho manana endrika sy toetra mitovitovy amin'ny an'ny olombelona ny andriamanitra. Amin'ny ankapobeny koa dia manana ny anjara toerany ao amin'ny lamina misy ambaratonga ireo andriamanitra ireo ka ny [[fedrà]] no mitantara sy manazava izany. Matetika dia mifangaro amin'ny fivavahana amin'andriamanitra tokana ([[monoteismamônôteisma]]) ny fivavahana amin' andriamanitra maro ka misy ny fivavahana politeistapôliteista izay nivoatra nakany amin'ny monoteisma.
 
Ny mpikaroka dia mihevitra fa avy amin'ny tahotra sy ny fanajana ny herin'ny [[zavaboary]] no niavian'ny fivavahana amin'andriamanitra maro ka nokendrena tamin'izany ny hifehezana ireo hery ireo ka izany no ninoan'ny vahoaka sasany ny zavatra eny amin'ny lanitra ([[masoandro]], [[volana]], [[kintana]] sns.) sy ny zava-manan'aina sasany (biby sy zavamaniry) ary ny zavatra hafa koa (tendrombohitra, afo, sns.). Ny fandaminana misy eo amin'ny fiarahamonin'olombelona no heverina fa fandaminana misy koa ao amin'ny tontolon'ireo andriamanitra ireo. Tsy mora noho izany ny manavaka ny fivavahana politeista sasany amin'ny [[animisma]] na ny [[totemisma]], eny fa na amin'ny [[panteisma]] koa aza.
 
== Endrika isehoan'ny politeisma ==
Isan-karazany ny fivavahana amin' andriamanitra maro satria ny lamina tsirairay dia samy manana ny mampiavaka azy ary mety hahitana zana-damina izay mamaritra ny fifandraisan'ireo andriamanitra ao aminy. Ny fivavahana sasany, izay efa tsy misy mpanaraka intsony, dia matetika tsy fantatra raha tsy amin'ny alalan'ireo sisan-javatra navelan'ny mponina tany aloha na amin'ny alalan'ny [[fedrà]] sy ny [[haisoratra]]. Nefa ny anjara toeran'ny andriamanitra iray ao amin'ny fedrà dia tsy voatery hifanaraka amin'ny tena anjara toeran'io andriamanitra io ao amin'ny [[fanompoam-pivavahana]].
 
Ao amin'ny lamina politeistapôliteista dia misy fizaràna seha-pahefana ho an'ny andriamanitra tsirairay. Mety ho momba ny fari-tany izany (fahefana amin'ny faritra voafetra), na mety ho momba ny foko na ny karazan'asa (andriamanitry ny foko iray na ny sokajin'asa fivelomana iray), na sehatra hafa eo amin'ny tontolo (andriamanitry ny zava-mitranga eo amin'ny [[natiora]], andriamanitra any amin'ny fitoeran'ny maty, andriamanitry ny fanambadiana, sns.). Na dia izany aza dia misy ireo andriamanitra manan-danja kokoa izay ivangongoan'anjara asa maro; ny andriamanira sasany dia metimety kokoa amin'ny mponina ao amin'ny tanàna iray na maromaro raha mitaha amin'ny hafa.
 
Amin'ny ankapobeny dia manam-pifadraisam-pianakaviana na fifandraisam-piarahamonina ireo andriamanira ao amin'ny lamina politeista ireo: misy ny mpifehy ary misy ny fehezina, misy ny ray sy reny ary zanaka.
29 325

modifications