Fanahy Masina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-25:
 
==== Ny mihevitra ny Fanahy Masina ho personan'Andriamanitra tokana ====
Ny fiangonana mino ny [[Trinite]] dia manao ny Fanahy Masina ho iray amin'ireo persona telon'Andriamanitra tokana. Isan'ireo ny [[Eglizy katôlika rômanina|Fiangonana katôlika]], ny [[Fiangonana ôrtodoksaôrtôdôksa]], ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]] ary ny ankamaroan'ireo [[Protestantisma|Fiangonana protestanta]] sy [[Evanjelisma|ara-pilazantsara]]. Tsy mitovy tanteraka anefa ny fampianaran'izy ireo. Hita izany tsy fitoviana izany eo amin'ny fanekem-pinoana. Ao amin'ny [[Fanekem-pinoana apôstôlika]] (izay tsy ampiasain'ireo [[Fiangonana Tatsinanana]], isan'izany ny Ôrtôdôksa) dia tsy ahitana afa-tsy ny hoe "Mino ny Fanahy Masina aho", ka tsy ahafantarana na persona na Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny [[Fanekem-pinoana nikeana|Fanekem-pinoana nikeana-kônstatinôpôlitana]] dia manamafy ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina nefa tsy mampitombo isa an'Andriamaitra izany.
 
Ny Fanekem-pinoana nikeana dia nisy tovana natao taty aoriana ka nampidirin'ny Fiangonana Tandrefana miteny latina ny teny hoe "sy tamin'ny Zanaka" (grika: ''καὶ τοῦ Υἱοῦ'' / ''kai tou Uiou''; latina: ''Filioque'') izay nanova ny tokony hinoana momba ny fifandraisan'ny Fanahy Masina sy ny Zanaka ka lasa mivoaka avy amin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina. Nandova izany koa ireo fiangonana mino ny Trinite izay nateraky ny [[Reformasiona protestanta|Refôrmasiona prôtestanta]] araka izao:.
===== Ny Fanahy Masina araka ny Fiangonana Tandrefana =====
Ny Fanekem-pinoana nikeana dia nisy tovana natao taty aoriana ka nampidirin'ny Fiangonana Tandrefana miteny latina ny teny hoe "sy tamin'ny Zanaka" (grika: ''καὶ τοῦ Υἱοῦ'' / ''kai tou Uiou''; latina: ''Filioque'') izay nanova ny tokony hinoana momba ny fifandraisan'ny Fanahy Masina sy ny Zanaka ka lasa mivoaka avy amin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina. Nandova izany koa ireo fiangonana mino ny Trinite izay nateraky ny [[Reformasiona protestanta|Refôrmasiona prôtestanta]] araka izao:
 
===== Ny Fanahy Masina araka ny Fiangonana Tatsinanana =====
Tsy eken'ny Fiangonana Tatsinanana (isan'izany ny Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana armeniana) anefa ny nampitsofohan'ny Fiangonana Tandrefana ilay hevitra hoe "nivoaka tamin'ny Zanaka koa ny Fanahy Masina" izay nomena ny anarana latina hoe ''[[Filioque]]'' (grika: ''καὶ τοῦ Υἱοῦ'' / ''kaὶ toū Uioū''). Isan'ny zavatra nampisaraka ny Fiangonana tatsinanana tamin'ny Fiangonana tandrefana izany taty aoriana. Amin'ny Fiangonana Tatsinana dia nivoaka avy amin'ny Ray fotsiny ny Fanahy Masina fa tsy tamin'ny Zanaka koa.