Fanahy Masina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nandamina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''Fanahy''' '''Masina''', araka ny finoana [[Jodaisma|jiosy]] sy [[Kristianisma|kristiana]], dia ny herin' Andriamanitra anatanterahany ny zavatra kasainy hatao, hatramin’ny [[Famoronana]] izao tontolo izao ka hatramin’izao. Hita ombieniombieny ny firesahana ny Fanahy Masina ao amin’ny [[Baiboly]]. Ny fivavahana sasany, toy ny [[finoana silamo]] sy ny [[finoana bahay]], dia mino ny fisian'ny Fanahy Masina.
 
== Ny Fanahy Masina ao amin'ireo fivavahana abrahamika ==
Andalana faha-49:
Ny finoana bahay dia manana ny ataony hoe ''Fanahy Lehibe Indrindra'', izay inoany ho ny hatsaram-pon'Andriamanitra. Ampiasain'ny mpino bahay ny teny izany mba hiresahany ny fidinan'ny Fanahin'Andriamanitra eo amin'ireo iraka alefany (ireo mpaminanin'Andriamanitra) izay ahitana an'i [[Jesoa]], i [[Mohamady]], i Bahaola (Baha'ula) sns.
 
Amin'ny finoana bahay, ny Fanahy Masina dia ny lalana izay ahafahan'ny fahendrena'Andriamanitra hikamlbanahikambana amin'ny irany, ary maro ny fomba filazana azy sy ny fomba fisehony, arakaraka ny fivavahana, ka isan'izay ilay roimemy nirehitra hitan'i Mosesy, ny afo masin'i [[Zaratostra]] (na Zôrôastra), ny voromailala tamin'ny andron'i Jesoa, ary ny "Mpanompo vavin'ny Lanitra" hitan'i Bahaola. Ny finoana bahay dia mitsipaka ny filazana fa mpiara-miasa ao amin'Andriamanitra ny Fanahy Masina, ny inoany dia ny maha iray amin'ireo toetra maha izy an'Andriamanitra azy.
 
== Ny Fanahy Masina ao amin'ny fivavahana hafa ==
Manana ny zavatra ataony hoe Fanahy Masina na mitovitovy amin'izany koa ny fivavahana hafa sasany, toy ny [[hindoisma]] sy ny [[zôrôastrisma]].
 
=== Fanahy Masina ao amin'ny hindoisma ===
Ny ataon'ny hindoisma hoe Advaita dia mifabndray amin'ny Trinite sady nohazavain'i Raimon Panikkar, mpampianatra taranja Fampitahana ny Fivavahana sy ny Tantaran'ny Fivavahana, ao amin'ny amin'ny Oniversiten'i Kalifornia. Nilaza izy fa ny Fanahy Masina, izay iray amin'ireo persôna telon'ny Trinite (ny Ray, ny Teny ary ny Fanahy Masina), dia tetezana mampitohy ny kristianisma amin'ny hindoisma.
 
=== ZoroastrismaZôrôastrisma ===
Ao amin'ny [[zôrôastrisma]] ny Fanahy Masina, izay fantatra amin'ny anarana hoe Spenta Mainio (''Spenta Mainyu''), dia ny endrik'i Ahora Mazda, ilay Andriamanitra Mpammorona fara tampony ao amin'ny fivavahana zôrôazstriana. Loharanon'ny fahatsarana eo amin'izao rehetra izao ny Fanahy Masina, izy no pitik'afom-piainana ao amin'ny olombelona, ary ny mpitari-dalana farany ho an'ny olombelona amin'ny fahitsiana sy ny fiombonana na firaisana amin'Andriamanitra. Ny Fanahy Masina dia mifanohitra mivantana amin'i Angra Mainio (''Spenta Mainyu''), izay loharanin'ny faharatsiana rehetra sady mitarika ny olombelona hania.
 
== Jereo koa: ==