Fanahy Masina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''Fanahy''' '''Masina''', araka ny finoana [[Jodaisma|jiosy]] sy [[Kristianisma|kristiana]], dia ny herin' Andriamanitra anatanterahany ny zavatra kasainy hatao, hatramin’ny [[Famoronana]] izao tontolo izao ka hatramin’izao. Hita ombieniombieny ny firesahana ny Fanahy Masina ao amin’ny [[Baiboly]].
 
Ao amin’ireo Fiangonana kristiana be mpanaraka sy mitazona ny [[tenim-pinoana]] (dogma) mahazatra ([[Katolisisma|katolika]] sy [[Kristianisma ortodoksa|ortodoksa]] ary ny ankamaroan’ny [[Protestantisma|protestantaprôtestanta]]) dia tsy hery fotsiny ihany ny Fanahy Masina fa [[Persona (teolojia)|personapersôna]] fahatelon’ Andriamanitra, manampy ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny [[Andriamanitra Zanaka|Zanaka]] ao amin’ny [[Trinite]]. Ny taranja [[Teolojia|teolojikateôlôjika]] andinihana sy ampianarana ny amin’ny Fanahy Masina dia ny [[Pneomatolojia|Pneomatôlôjia]].
 
== Fiforonan-teny ==
 
=== Fandikana teny hebreo ===
Ny andian-teny hoe ''Fanahy Masina'' dia fandraisana sy fandikana ny [[teny hebreo]] hoe רוח הקודש / ''ruakh ha-kodesh'' (midika hoe "fanahy masina"). Hita ao amin'ny [[Tanakh|Baiboly amin'ny teny hebreo]] koa ny hoe רוּחַ קָדְשְׁךָ / ''ruakḥ qodshəka'', "ny fanahinao masina", sy רוּחַ קָדְשׁוֹ / ''ruakḥ qodshō'', "ny fanahiny masina".
 
=== Fandikana teny grika ===
Atao hoe πνεῦμα / ''pneũma'' ny Fanahy Masina amin'ny [[teny grika]].
 
== Ny Fanahy Masina araka ny Baiboly ==
 
=== Ny Fanahy Masina araka ny Testamenta Taloha ===
Maro ireo andinin-tsoratra ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] izay milaza mivantana ny Fanahy Masina na heverin'ny teolojiana fa milaza izany. Isan'izany ny ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy]] (Gen 1,2; 2,7), ny ao amin'ny [[Bokin'ny Salamo]] (Sal 51 (50), 13; 98 (97), 1), ny ao amin'ny [[Bokin'i Jeremia]] (Jer 23, 9), ny ao amin'ny [[Boky faharoan'i Samoela]] (2Sam 23, 2-3), ny ao amin'ny [[Bokin'i Isaia]] (Isa 11, 1-2), ary ny ao amin'ny [[Bokin'i Joela]] (Joel 2, 28-29).
 
=== Ny Fanahy Masina araka ny Testamenta Vavao ===
Tsy vitsy koa ireo andinin-tsoratra ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] miresaka momba ny Fanahy Masina na heverin'ny teolojiana fa milaza izany. Isan'izany ny ao amin'ny [[Evanjelin'i Joany]] (Joa 15, 26; 16, 8; 1, 32-34; 14, 15-17; 16, 7; 20, 21-22), ny ao amin'ny [[Asan'ny Apostoly|Asan'ny Apôstôly]] (Asa 15, 28; 2, 2-4; 2, 16-17; 2, 38), ny ao amin'ny [[Evanjelin'i Matio]] (Mat 28, 19; 1, 18; 12, 31–32), ny ao amin'ny [[Epistily faharoa ho an'ny Korintiana|Epistily faharoa ho an'ny Kôrintiana]] (2Kor 13, 13; ny toko faha-12 hatramin'ny faha-14), ny ao amin'ny [[Evanjelin'i Lioka]] (Lio 1, 34-35; 2, 25-27), ary ny [[Epistily ho an'ny Romana|Epistily ho an'ny Rômana]] (Rom 8, 1-2; 14, 16).
 
== Ny fiheveran'ny fivavahana kristiana ny Fanahy Masina ==
 
=== Ny mihevitra ny Fanahy Masina ho personan'Andriamanitra tokana ===
Ny fiangonana mino ny [[Trinite]] dia manao ny Fanahy Masina ho iray amin'ireo persona telon'Andriamanitra tokana. Isan'ireo ny [[Eglizy katôlika rômanina|Fiangonana katôlika]], ny [[Fiangonana ôrtodoksa]], ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]] ary ny ankamaroan'ireo [[Protestantisma|Fiangonana protestanta]] sy [[Evanjelisma|ara-pilazantsara]]. Tsy mitovy tanteraka anefa ny fampianaran'izy ireo. Hita izany tsy fitoviana izany eo amin'ny fanekem-pinoana. Ao amin'ny [[Fanekem-pinoana apôstolika]] (izay tsy ampiasain'ireo Fiangonana Tatsinanana, isan'izany ny Ôrtôdôksa) dia tsy ahitana afa-tsy ny hoe "Mino ny Fanahy Masina aho", ka tsy ahafantarana na persona na Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny [[Fanekem-pinoana nikeana|Fanekem-pinoana nikeana-kônstatinôpôlitana]] dia manamafy ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina nefa tsy mampitombo isa an'Andriamaitra izany.
 
==== Ny Fanahy Masina araka ny Fiangonana Tandrefana ====
Ny Fanekem-pinoana nikeana dia nisy tovana natao taty aoriana ka nampidirin'ny Fiangonana Tandrefana miteny latina ny teny hoe "sy tamin'ny Zanaka" (grika: ''καὶ τοῦ Υἱοῦ'' / ''kai tou Uiou''; latina: ''Filioque'') izay nanova ny tokony hinoana momba ny fifandraisan'ny Fanahy Masina sy ny Zanaka ka lasa mivoaka avy amin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina. Nandova izany koa ireo fiangonana mino ny Trinite izay nateraky ny [[Reformasiona protestanta|Refôrmasiona prôtestanta]] araka izao:
 
"''Credo ... Et in Spíritum Sanctum, Dόminum, et vivificántem : qui ex Patre Filiόque procédit. Qui cum Patre, et Filio simul adorátur, et conglorificátur : qui locútus est per Prophétas''."
 
"''Izaho mino ny Fanahy Masina, Tompo Loharanon'aina, avy amin'ny Ray sy ny Zanaka; tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka, ary niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany''." (Dikan-teny katôlika amin'ny teny malagasy).
 
==== Ny Fanahy Masina araka ny Fiangonana Tatsinanana ====
Tsy eken'ny Fiangonana Tatsinanana (isan'izany ny Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana armeniana) anefa ny nampitsofohan'ny Fiangonana Tandrefana ilay hevitra hoe "nivoaka tamin'ny Zanaka koa ny Fanahy Masina" izay nomena ny anarana latina hoe ''[[Filioque]]'' (grika: ''καὶ τοῦ Υἱοῦ'' / ''kaὶ toū Uioū''). Isan'ny zavatra nampisaraka ny Fiangonana tatsinanana tamin'ny Fiangonana tandrefana izany taty aoriana. Amin'ny Fiangonana Tatsinana dia nivoaka avy amin'ny Ray fotsiny ny Fanahy Masina fa tsy tamin'ny Zanaka koa.
 
Izao ny ampahan'ny fanekem-pinoana:
 
"''Πιστεύομεν εἰς ἕνα ... καὶ εἰς τὸ πνεῦμα τὸ ἅγιον, τὸ Κύριον, τὸ ζωοποιόν, τὸ ἐκ τοῦ πατρὸς ἐκπορευόμενον, τὸ σὺν πατρὶ καὶ υἱῷ συμπροσκυνούμενον καὶ συνδοξαζόμενον, τὸ λαλῆσαν διὰ τῶν προφητῶν''·" (Dikan-teny grika)
 
"I''sika mino ... Sy ny Fanahy Masina, Izay Tompo sady Mpamelona; Izay avy amin’ny Ray; Izay itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka; Izay niteny tamin’ny alàlan’ny mpaminany'';" (Dikan-teny malagasy)
 
=== Ny mihevitra ny Fanahy Masina ho Andriamanitra iray manokana ===
Tamin'ny fotoana niadian-kevitra momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia nampangaina ho mino andriamanitra telo (triteisma) ireo nanohana ny Trinite. Ankehitriny dia misy ny fiangonana izay manaiky fa Andriamanitra mahaleo tena fa tsy personan'Andriamanitra tokana ny Fanahy Masina, tsy iza izany fa ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany]]. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra telo samy manana ny persônany sy ny natiorany avy nefa mifameno.
 
Ny Fanahy Masina dia voalazan'ny fampianaran'ny Olomasin'ny Andro Farany fa mpikambana fahatelo amin’ireo Andriamanitra, sady lazainy fa olona Fanahy tsy manana vatana nofo sy taolana, araka ny fampianarany ao amin'ny [[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana]]: "''Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ ny olona; ny Zanaka koa; fa ny Fanahy Masina dia tsy manana vatana nofo sy taolana fa vatana Fanahy, fa raha tsy izany dia tsy afaka mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina''." (F&F 130:22).
 
=== Ny mihevitra ny Fanahy Masina ho hery fotsiny ihany ===
Ireo fiangonana tsy mihevitra fa ny Trinite dia midika fisian'Andriamaitra telo dia mampianatra fa herin'Andriamanitra ny Fanahy Masina fa tsy persôna no tsy Andriamanitra. Teo amin'ny tantara dia nisy ireo nihevitra ny Fanahy Masina ho fomba fisehon'ilay Andriamanitra tokana, izany no atao hoe [[môdalisma]]: Ny Ray sy ny Fanahy Masina dia tsy iza fa ilay Andriamanitra tokana tonga nofo tao amin'i Jesoa Kristy ihany. Ankehitriny dia maro ny fiangonana tsy mino ny Trinite izay milaza fa hery entin'Andriamanitra fa tsy persôna ny Fanahy Masina.
 
Amin'ny [[Vavolombelon'i Jehovah]], ohatra, dia hery miasa an’Andriamanitra ny fanahy masina, tsy mitambatra ho Trinite ny Ray sy ny Zanaka (Jesosy) ary ny fanahy masina. Tsy mampiasa sora-madinika ny Vavolombelon'i Jehovah raha manoratra io herin'Andriamanitra io (''fanahy masina'' fa tsy ''Fanany Masina'') mba hanehoany ny tsy maha persôna an'izany.
 
== Jereo koa: ==