Batisa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sy rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-17:
 
Sahala amin’ny batisan’i Joany, ny batisa kristiana dia atao ho famelàna ny [[Fahotana|fahotan]]’ny olona. Tamin’ny fahatongavan’i Jesoa, ny batisa natao tamin’ny rano dia novana ho batisa ao amin’ny [[Fanahy Masina]]. I [[Apostoly Paoly|Paoly]] dia nampianatra fa ny batisa dia fandraisan’ny mino anjara amin’ny fahafatesana sy ny [[Fitsanganan'i Jesosy ho velona|fitsanganan’i Kristy ho velona]]. Izany no itiavan'ny fiangonana sasany manao batisa amin’ny andro [[paska]].  [[Sakramenta]] ahazoana [[Fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavana avy amin’ny]] [[Fanahy Masina]] ny batisa (Asa 19.5-6; 1Kor. 12). Ho an'ny Kristiana ny batisa koa dia mariky ny fahafoizana tanteraka izao tontolo izao sy ny asan’ny nofo ary ny ratsy, sady fiombonana ao amin’ny Fanekem-Pihavanana Vaovao ao amin’i Kristy.
 
== Ireo endrika anatanterahana ny batisa ==
 
=== Batisan-jaza sy batisan'ny mino ===
 
==== Ny batisan-jaza ====
Maro ny fiangonana kristiana izay manatanteraka ny fanaovam-batisa ny zazakely. Ny [[Katolisisma|fiangonana katôlika]], ny [[Loteranisma|fiangonana loterana]], ny [[Fiangonana nohavaozina|fiangnana nohavaozina]], ny [[Fiangonana ortodoksa tatsinanana|fiangonana ôrtôdôksa]] sy ny maro hafa dia manatanteraka fanaovam-batisan-jaza.
 
Teo amin'ny tantara dia nanohana izany fanaovana batisa ny zaza izany i [[Ulrich Zwingli|Zwingli]] ka tsy nifanarahany tamin'ny [[Anabatisma|Anabatista]] izany, ka nilazany fa tsy misy lalàna mandrara ny fanaovana izany. Nanazava i Zwingli fa ny batisa dia famantarana ny fanekem-pihavanana amin'Andriamanitra, ka misolo ny famorana ao amin'ny [[Testamenta Taloha]].
 
==== Ny batisan'ny mino ====
Ny [[batisan'ny mino]] dia fanao kristiana iainan'ny mpino ny fanavaozam-panahy izay anapahany hevitra mba hatao batisa anatsobohana ny vatana anaty rano aorian'ny fanambaràny ny finoany, aorian'ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]]. Isan'ireo zavatra amantarana indrindra ny [[kristianisma ara-pilazantsara]] izany. Fanaovam-batisa ny olona efa mpianatra no azo atao ka noho izany dia tsy mety ny manao batisa zazakely izay mbola tsy mahay mino. Ny olon-dehibe noho izany no tokony hatao batisa noho izy efa mahalala ny zavatra inoany.
 
=== Batisan'ny rano sy batisan'ny Fanahy Masina ===
 
==== Batisan'ny Fanahy Masina ====
Ny batisan'ny Fanahy Masina (na batisa ao amin'ny Fanahy Masina) dia ny fiainana ny fanavaozam-panahy izay anaovan'ny [[Fanahy Masina]] batisa ny olona iray. Ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Filazantsaran'i Matio]] dia voasoratra fa nanao batisa tamin'ny rano i Jaona, nefa nanambara io evanjely io fa ho avy ny fotoana izay hisian'ny batisan'ny Fanahy Masina, izay hotanterahin'ny olona lehibe noho izy. Azon'ny Apostoly tokoa tamin'ny andro [[Pentekosta]] (na Pentekôty) izany batisan'ny Fanahy Masina izany, araka ny Asan'ny Apostoly.
 
Ao amin'ireo [[fiangonana evanjelika]] dia miovaova arakaraka ny firehana na ny fikambanana ny atao hoe "''batisan'ny Fanahy Masina''". Mety hiseho amin'ny alanan'ny fanaovana [[fiteny tsy fantatra]] izany, na fahazoana ny iray na maro amin'ireo [[fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina]] miisa valo hafa toy ny fahendrena, ny fahalalana, ny finoana, ny fanasitranana, ny fahagagana, ny faminaniana, ny fahaiza-manavaka fanahy samihafa ary ny fahaizana mandika teny. Aorian'ny batisan'ny rano io batisa io matetika nefa koa mety hiara-miseho aminy na hialoha lalana azy.
 
== Jereo koa ==
Ligne 22 ⟶ 41 :
*[[Fanasan'ny Tompo]]
*[[Eokaristia]]
*[[Pentekotisma]]