Prôtestantisma eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Protestantisma eto Madagasikara|'''protestantisma''']] dia efa tonga teto Madagasikara tamin'ny vanim-potoana faha mpanjaka ka laharana faha-2 manaraka ny katolisisma izy raha ny isan'ny mpino ao aminy no jerena. Ny protestantisma eto Madagasikara dia misy fiangonana maro ka ny roa voalohany tonga teto Madagasikara dia ny [[loteranisma]] sy ny [[kalvinisma]] (na presbiterianisma) izay nipoiran’ny [[Fiangonana Loterana Malagasy]] (FLM) sy ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM) izay mikambana ao amin'ny [[Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara]] (FFPM). Tsy ireo ihany no endrika isehoan'ny protestantisma eto Madagasikara amin'izao fotoana izao fa ao koa ireo fiangonana hafa izay tsy dia mahazatra ny Malagasy ny miantso azy hoe "protestanta" na tsy te hatao hoe "protestanta". Ny 25%n'ny Malagasy dia Protestanta<ref><small>Bureau of African Affairs (3 May 2011). [https://www.state.gov/r/pa/ei/bgn/5460.htm "Background Note: Madagascar"]. U.S. Department of State.</small></ref>.
 
== Tantarany ==
Andalana faha-74:
Nandritra ny fanjanahan-tany dia ny LMS sy ny FFMA (ny ''[[Koakerisma|Quakers]]'' na ''Friends'') no misiona tena natanjaka ka nitambatra tamin'ny misiona protestanta frantsay sy ny misiona loterana izy ireo talohan'ny taona 1960 ka nanangana ny ''Fédération des Églises Protestantes de Madagascar'' ([[Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara|FFPM]]).
 
==== Amin'izao fahaleovan-tenam-pirenena izao ====
Tamin'ny taona 1968 dia tonga Fiangonana iray nomena ny anarana hoe [[Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM) ny fikambanan'ny fiangonana telo [[Fiangonana nohavaozina|nohavaozina]], dia ny Fiangonana Frenjy Malagasy sy ny Fiangonana ara-Pilazantsara eto Madagasika ary ny Fiangonan'i Kristy eto Madagasikara<ref name=":1" />. Niforona koa ny fiangonana anglikana, dia ny [[Eklesia Episkopaly Malagasy]] (EEM) tamin’ny taona 1969.
 
== Ny sampan'ny protestantisma eto Madagasikara amin'izao fotoana izaoMadagasika ==
 
=== Ny sampan'nyfiangonana protestantisma eto Madagasikaloterana ===
 
*==== FiangonanaNy loterana: ny [[Fiangonana Loterana Malagasy]] (FLM), ny [[Fiangonana Loterana Malagasy Nohavaozina]] (FLMN), ny Fiangonana Loterana Sinoa.====
Ny [[Fiangonana Loterana Malagasy]] (FLM), dia fiangonana vokatry ny fitoriana ny [[Filazantsara]] nataon'ireo misionera avy tamin'ny Misiona Norveziana (anglisy:''[[Norwegian Missionary Society]]'' - NMS) nanomboka ny taona 1866 sy ny Misiona Amerikana (''Americana Lutheran Church'' - ALC) nanomboka tamin'ny taona 1888. Tamin'ny taona 1950 anefa vao nahazo fahaleovan-tena io fiangonana io.
* Fiangonana nohavaozina: ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM), ny [[Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara]] (METM), ny [[Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky]] (FMTA), ny [[Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara]] (FPVM);
 
* ny Fiangonana anglikana: ny [[Eklesia Episkopaly Malagasy|Eklesia Episkopaly Malagasy (Anglikana)]] (EEM);
==== Ny Fiangonana Loterana Malagasy Nohavaozina ====
* ny Fiangonana adventista: ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito eto Madagasikara|Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]];
Ny Fiangonana Loterana Malagasy Nohavaozina (FLMN) dia iray amin'ny sampan'ny fiangonana loterana misy eto Madagasikara izay tafasaraka tamin'ny FLM tany amin'ireo taona 70 noho ny tsy fifanarahana momba ny fomba fitantanana ny fiangonana.
* ny Fiangonana batista: ny [[Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara]], ny Fiangonana Batista Finoana, ny Fiangonana Batista ara-Pilazantsara, sns.
 
* ny Fiangonana pentekotista: ny [[Fiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)|Fiangonana Pentekotista Mitambatra]], ny [[Fiangonan'Andriamanitra]] (Assemblée de Dieu), ny [[Fiangonana Jesosy Mamonjy|Jesosy Mamonjy]].
==== Ny Fiangonana Fifohazam-Panahy Loterana Malagasy ====
Ny Fiangonana Fifohazam-Panahy Loterana Malagasy (FFPLM) naorin'ilay mpiandry atao hoe Mama Olga. Ao Anolaka any Fianarantsoa no misy ny foibeny.
 
==== Ny Fiangonana Protestanta Loterana Malagasy ====
Ny Fiangonana Protestanta Loterana Malagasy (FPLM). Ao Ankofafa any Fianarantsoa ny misy ny foibeny.
 
==== Ny Fiangonana Loterana Sinoa ====
Ny Fiangonana Loterana Sinoa dia fiangonana loterana anatanterahan'ireo terateny sinoa loterana.
 
=== Ny fiangonana nohavaozina ===
 
==== Ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara ====
Ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM) dia niforona vokatry ny fitambaran'ny fiangonana telo notarihin'ny ''[[London Missionary Society]]'' (tonga teto tamin'ny taona 1818) ny ''Société des Missions Evangeliques de Pari''s (tonga teto tamin'ny taona 1867) ary ny ''Frends Foreign Missionary Association'' (tonga teto tamin'ny taona 1897). Tamin'ny taona 1968 vao nitondra io anarany FJKM io ity fiangonana ity.
 
==== Ny Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara ====
Ny [[Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara]] (METM) dia fiangonana naorin'ny Pastora Rakotobe Andriamaro tamin’ny taona 1955.
 
==== Ny Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky ====
Ny [[Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky]] (FMTA) dia fiangonana niala tamin'ny ''London Missionary Society'' (LMS) tamin'ny taona 1894. Ny Pastora Rajaonary no nitantana an'io fiangonana voalohany.
 
==== Ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara ====
Ny [[Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara]] (FPVM) dia fiangonana niala avy amin'ny FJKM, naorin'ny Mpitandrina Randrianantoandro Jean Joseph tamin'ny taona 2002.
 
==== Ireo fiangonana nohavaozina hafa ====
Ireto no ngezangeza amin'ireo fiangonana ireo:
 
* ny Fiangonana Kristiana Protestanta Malagasy Vavolombelona, niorina tamin'ny taona 1967.
* ny Fiangonana Kristianina Fifohazana eto Madagasikara (FKFM)
* ny Fiangonan'ny Fifohazan'ny Mpianatry ny Tompo, niorina tamin'ny taona 1954
* ny Fiangonan'ny Fifohazam-Panahy Malagasy, niorina tamin'ny taona 1963/64.
 
=== Ny fiangonana anglikana ===
 
==== Ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) ====
Ny [[anglikanisma]] eto Madagasikara dia hita amin'hy alalan'ny [[Eklesia Episkopaly Malagasy]]''',''' hafohezina amin'ny hoe EEM. Azo lazaina ho niorina tamin'ny taona 1864 na 1969 ny EEM.
 
=== Ny fiangonana adventista ===
 
==== Ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito, ====
Ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito eto Madagasikara|Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]] eto Madagasikara dia niorina teto tamin'ny taona 1927. Misionera avy ao amin'ny nosy Maorisy no nitondra ny [[adventisma]] teto Madagasikara tamin'hy taona 1910.
 
==== Ny Fiangonan'i Jehovah Tompon'ny Sabata andro faha-7 ====
Ny Fiangonan'i Jehovah Tompon'ny Sabata andro faha-7 (FJTSa7)
 
=== Ny fiangonana ara-pilazantsara ===
 
==== Ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara ====
Tonga teto amin'ny Nosy tamin'ny alalan'ny Misiona Biblikan'i Madagasikara tamin'ny taona 1932 ny finoana batista. Ny trano fiangonana batista voaorina voalohany dia ny ao Ankadivato tamin'ny taona 1935. Novana anarana ka natao hoe "Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara" tamin'ny taona 1963 ny fiangonanana najoron'ny Misiona Biblikan'i Madagasikara.
 
==== Ny Fiangonana Batista Finoana ====
Ny Fiangonana Batista Finoana dia iray amin'ireo sampan'ny batisma eto Madagasikara.
 
==== Ny Fiangonana Batista ara-Pilazantsara ====
Ny Fiangonana Batista ara-Pilazantsara dia iray amin'ireo sampan'ny batisma eto Madagasikara.
 
==== Ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra ====
Ny [[Fiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)|Fiangonana Pentekotista Mitambatra]] dia fiangonana naorin'ny misionera Chris Richardson mivady tamin'ny taona 1970. Ny tobin'io fiangonana io dia ao [[Ambohidratrimo]] Antananarivo.
 
==== Ny Fiangonan'Andriamanitra ====
Ny Fiangonan'Andriamanitra (na ''Assemblée de Dieu'') dia fiangnana ara-pilazantsara niorina teto Madagasikara tamin'ny taona 1967.
 
==== Ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ====
Ny [[Fiangonana Jesosy Mamonjy]] dia fiangonana niorina ara-panjakana tamin'ny 1963 teto Madagasikara taorian'ny asa fitoriana Filazantsara nataon'ny Misionera Amerikana Mounir Aziz Daoud sy Jane Collins vadiny. Ao Ankorondrano, Antananarivo Madagasikara no misy ny foibeny.
 
==== Ny Fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara ====
Ny [[Fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara]] (FAM) dia fiangonana natsangan'i Pasitera Mailhol André Christian Dieu Donné tamin'ny taona 1996 izay mifototra manokana amin'ny fanazavana sy fampianarana ny misiterin'ny bokin'ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalypsy]]. Rehefa niitatra any ivelan'i Madagasikara io fiangonana io dia niova anarana ka atsoina hoe ''Fiangonana Apokalypsy Maneran-tany'' (izay hafohezina amin'ny hoe FAM ihany).
 
==== Ireo fiagonana evanjelika hafa ====
Mitombo isa hatrany ny fiangonana ara-pilazantsara sy petekotista, ka ireto ny sasany amin'izany:
 
* ny [[Fiainana Ao amin'i Kristy]] (FAK), niorina tamin'ny taona 1985.
* ny Jesosy Famonjena
* ny [[Vahao ny Oloko]]
* ny [[Fiangonana Evanjelika Shine|Fiangonana Evanjelika Shine,]] niorina tamin'ny taona 2004.
* ny [[Fiangonan’ny Ampakarina]] (FnA)
* ny [[Fiangonana Mahery ny Ran'i Jesosy]]
* ny Fiangonana Rhema
* ny ''Eglise Universelle du Royaume de Dieu,'' niorina tamin'ny taona 1998
* ny ''[[Communauté Evangélique Indépendante de Madagascar]]'' (CEIM), niorina tamin'ny taona 1991.
* ny Fahazavan'i Kristy (FAKRI), niorina tamin'ny taona 1996.
* ny [[Tafik'i Jesosy Kristy]] (TAJEKRI)
* ny Eglizy Sambofiara eto Madagasikara (ESM)
* ny ''Centre Parole Vivante'' niorina tamin'ny taona 1993.
* ny ''Communauté Evangélique du Réveil'', niorina tamin'ny taona 1990.
 
=== Ny fikambanana sy ny fiombonana ===
 
==== Ny Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara ====
Mikambana ao amin'ny [[Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara]] (FFPM) ireo fiangonana protestanta lehibe roa dia ny ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Izany fiombonana izany dia tanterahina amin'ny fiaraha-mivavaka sy fananganana sehatra na fotodrafitrasa iraisana ara-tsosialy (indrindra ny fampianarana sy ny fitsaboana). Samy mampiasa ny [[Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy|Baiboly protestanta]] ireo Fiangonana ireo ary iombonany koa ny fampiasana boky fihirana sy tiona FFPM. Manana ny lalàm-panorenany manokana sy ny fitsipi-piaraha-miasany ary ny biraony ny FFPM.
 
==== Ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara ====
Ny FJKM sy ny FLM ary ny EEM dia mpikambana ao amin'ny [[Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara]] (FFKM) miaraka amin'ny [[Eglizy Katolika Apostolika Romana (Madagasikara)|Eglizy Katôlika Apôstolika Rômanina]] (EKAR).
 
==== Ny Fivondronan'ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara ====
Manana ny fikambanany koa ireo fiangonana mitovy firehana ka isan'izany ny [[Fivondronan'ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara]] (FFBBM) izay mamondrona ireo fiangonana batista biblika eto amin'ny Nosy.