Ombiasa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-10:
 
=== Ombiasa mpisikidy ===
Isan'ny ahafantarana ny ombiasa malagasy ny [[Sikidy malagasy|sikidy]]. Hatonin'ny olona te hahafanta-javatra miafina na saro-pantarina ny ombiasa mpisikidy. Manatona mpisikidy ny olona hanamboatra trano, handeha lavitra, hamantatra na hanenjika ny olona nangalatra ny fananany, hioty ny vokatry ny famboleny, hampaka-bady, marary, te hahafantatra ny fomba hampitomboany ny hareny, sns. Ny mpandinika ny tantaran'ny sikidy malagasy dia mihevitra fa ny [[Antemoro]] no nahay nisikidy voalohany indrindra amin'ny Malagasy. Matetika aorian'ny fisilidiana vao manambara ny zavatra tokony hatao ny ombiasa: ny sorona na ny ala-faditra tokony hatao, ny volon'ny omby hisoronana, ny volon'ny akoho hovonoina, ny toerana tokony haleha hanipazana na handevenana na handrarahana ody, ny endriky ny vavaka tokony hatao amin'ny razana sy ny zanahary, ny zava-maniry tokony hampiasaina, ny andro tsara tokony hanatanterahana ny zavatra tian-katao, sns.
 
=== Ombiasa mitazona ody ===