Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-48:
==== Isan'ny andro ao anatin'ny iray volana ====
Ny ao anatin'ny iray [[Tetiandro malagasy|volana malagasy]] dia mety misy 28 hatramin'ny 30 andro. Ny 29 sy ny 30 andro no matetika indrindra satria maharitra 29 andro sy 12 ora ary 44 minitra ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] amin'ny [[Tany]]. Raha misy 28 andro ny iray volana dia mifarana amin'ny vodin'ny vintana mitovy anarana amin'ny volana eo aloha ny volana diavina (ohatra, mifarana amin'ny vody Alohotsy, raha ny volana Alahamady no diavina). Raha tsy tsinana ny Volana alohan'ny mitataovovonan'ny faha-29 andro dia lasa misy 29 andro ny iray volana ka mifarana amin'ny vavan'ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io (ohatra, mifarana amin'ny vava Alahamady, raha ny Alahamady no volana diavina). Fa raha mbola tsy tsinana ihany ny Volana amin'ny faha-30 andro dia misy 30 andro ny iray volana ka mifarana amin'ny vodiny na ny vonton'ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io, ka vodiny raha zanabintana fa vontony raha renivintana.
 
==== Isan'ny andro ao anatin'ny iray taona ====
Raha misy 29 na 30 andro ny ao anatin'ny fe-potoana itsingerenanny Volana, misy 354 na 355 andro kosa ny iray taona raha [[Tetiandro manara-bolana|manara-bolana]] tanteraka.
 
=== Ny toetra ankapoben'ny tonon'andro ===