Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
Nanovona soratra Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée |
Aucun résumé des modifications |
||
Andalana faha-1:
[[Sary:New Moon at sunset.jpg|vignette|382x382px]]
Ny '''fanandroana malagasy''' dia endriky ny [[fanandroana]] ataon'ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray na ny fotoana ahatanterahan'ny zavatra iray
Fanao andavanandro teto Madagasikara ny fankanesana any amin'ny mpanandro teo amin'ireo [[andriana]]
Araka ny finoan-drazana malagasy dia lova avy amin'ny ray aman-dreny na talenta avy amin'ny [[Zanahary (anaran-tsamirery)|Zanahary]] ny fanandroana. Ilain'ny
Raha tiana ho azo ny fanandroana malagasy dia tokony havahana ny hoe [[antokon-kintana]] sy ny hoe vintana ary ny hoe [[tetiandro]]. Mifandray tanteraka amin'ny tetiandro ny vintana. Ny fifandraisana misy eo amin'ny [[antokon-kintan'ny zodiaka]] sy ny vintana dia efa tsy hentintra intsony noho ny fanandroana sy ny tetiandro malagasy manara-bolana fa tsy manara-kintana na manara-masoandro tanteraka.
== Fanamarihana ankapobeny ==
Ireto avy ireo anaram-bintana amin'ny fanandroana malagasy izay sady anaran'ny volana malagasy avy amin'ny teny arabo koa: [[Alahamady]], [[Adaoro]], [[Adizaoza]], [[Asorotany]], [[Alahasaty]], [[Asombola]], [[Adimizana]], [[Alakarabo]], [[Alakaosy]], [[Adijady]], [[Adalo]] ary [[Alohotsy]]. Mbola iadian-kevitra ny fotoana mifanandrify amin'ny volana tsirairay noho ny fahasamihafam-piheverana misy eo amin'ireo milaza tena fa manam-pahaizana momba ny [[tetiandro malagasy]].
=== Fifandraisan'ny vitana ===
Atsidika hatrety amboalohany fa ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] hoe ''vintana'' dia avy amin'ny [[Fiteny indôneziana|teny indoneziana]] hoe ''bintang'' izay midika hoe "kintana". Lasa tsy dia mifandray loatra amin'ny [[Kintana]] ny fanandroana malagasy taty aoriana fa amin'ny Volana, hadino ny fiavian'ilay teny. Ny hoe vintana dia tsy manondro kintana intsony fa fizaram-potoana ao anatin'ny iray volana na iray andro na fizaran'ny erana manodidina.
==== Renivintana "mibaby" sy "mitrotro" zanabintana ====
Ligne 45 ⟶ 44 :
==== Fanombohan'ny tononandro ====
Tsy isaina ho andro voalohany ao amin'ny volana ny tonon'andro iray raha tsy tsinana alohan'ny mitataovovonan'io andro io ny Volana. Miteraka fahasamihafana arakaraka ny faritra anaovana fanandroana izany satria tsy amin'ny 12 ora antoandro amin'ny famantaranandro araka ny hasin'ora
==== Isan'ny andro ao
Ny ao anatin'ny iray [[Tetiandro malagasy|volana malagasy]] dia mety misy 28 hatramin'ny 30 andro. Ny 29 sy ny 30 andro no matetika indrindra satria maharitra 29 andro sy 12 ora ary 44 minitra ny tsingerim-pihodinan'ny [[Volana]] amin'ny [[Tany]]. Raha misy 28 andro ny iray volana dia mifarana amin'ny vodin'ny vintana mitovy anarana amin'ny volana eo aloha ny volana diavina (ohatra, mifarana amin'ny vody Alohotsy, raha ny volana Alahamady no diavina). Raha tsy tsinana ny Volana alohan'ny mitataovovonan'ny faha-29 andro dia lasa misy 29 andro ny iray volana ka mifarana amin'ny vavan'ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io (ohatra, mifarana amin'ny vava Alahamady, raha ny Alahamady no volana diavina). Fa raha mbola tsy tsinana ihany ny Volana amin'ny faha-30 andro dia misy 30 andro ny iray volana ka mifarana amin'ny vodiny na ny vonton'ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io, ka vodiny raha zanabintana fa vontony raha renivintana.
=== Ny toetra ankapoben'ny tonon'andro ===
|