Avesta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Boky
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''Avesta''' (''Avesta'') dia bokim-pivavahan’ny [[zoroastrisma]] izay mamondrona ireo boky masin’ny mpino zoroastriana (dia ireo  atao hoe ''Parsy''), izay miaina anatin’ny vondrona maro madinidinika ao [[Iràna]] sy ao [[India]] ary ao [[Pakistàna]]. Ny ''Avesta'' dia voasoratra amin’ny [[Fiteny iraniana tranainy|fiteny iraniana]] tranainy. Tamin’ny fotoana samy hafa teo amin’ny tantaran’ny mazdeisma sy ny zoroastrisma no nanangonana azy ka maro ireo hevitra mety mifanipaka amin’ny zoroastrisma hita ao aminy.
 
Ny toerana nipoiran’ionipoiran’ireo fivavahana ioireo sy ireo lahatsoratra ireo dia tany [[Persia]] (na Persa) ary ny finoana ao aminy dia naorin’ilay olonkendry atao hoe [[Zaratostra]] na Zoroastra, izay mpampiaratra lehibe tany amin’ny tany Tany Atsinanana.
 
== Votoatin'ny Avesta ==
Ny Avesta dia mirakitra ny [[foto-pampianarana]] momba izany finoana izany sy ireo fomba amam-panao teo amin’ny tantaranan’i Persia. Ahitana fizaràna dimy izay atao hoa ''gata'' (''gatha'') ny ao anatiny. Ny gata dia tonon-kira fankalazana sy fideràna izay lazaina fa nosoratan’i Zaratostra, ka izy ireo no manan-danja indrindra ao amin’ny Avesta. Ireo lahatsoratra ireo dia mitambatra ka manome ny atao hoe ''Iasna'' (''Yasna''), izay tahirin-kevitra momba ny [[litorjia]]<nowiki/>n’ny zoroastrisma nefa latsa-danja kokoa. Mitovitovy amin’izany koa ny ''Visprata'' (''Visprat'') izay mirakitra ny fanomezam-boninahitra ireo mpitarika lehibe. Ny ''Vendidada'' (''Vendidad'') dia mamelatra ny fototry ny lalàna zoroastriana sy ny fedrà momba ny famoronana izao tontolo izao. Ny ny ''Korde-Avesta'' (''Khordeh-Avesta'') dia fanangonan-dahatsoratra sy tonon-kira fankalazana ary vavaka. Ny ''Iasta'' (''Yasht'') dia fatambaran-tonon-kira miisa iraika amby roapolo izay natokana hankalazana ny [[anjely]] sy ny olo-mahery.
 
== Fizaràn'ny Avesta ==
Mizara maromaro ny boky, dia
 
* ny ''Yasna'' (“Sorona”) izay mandidy ny mpino mba hadio; atao hoe ''gâthâ'' ireo andalan-kira noforoni’i Zaratostra;
* ny ''Visprad'' ("ny Fenitra rehetra") izay fitambaran-dalàna tokony hohajain’ny Zoroastriana amin’ny fiantsoana an’Andriamanitra;
* ny ''Korda Avesta'' ("Fiderana fohy") izay misy vavaka fiderana sy fangatahana fitahiana tokony ho tanterahin’ny olona tsirairay;
* ny ''Siroza'' ("Telopolo andro") izay vavaka misy fiantsoana intelompolo an’Andriamanitra mba hahazoana fiarovana amin’ny fahavalo;
* ny ''Yasht'' ("Hiram-pisoronana") izay iderana ireo andriamani-dehibe toa an’i Ahura Mazda sy ireo Amesha Spenta sy i Anahita sy ny Masoandro ary ny Volana;
* ny ''Videvdad'' ("Lanàna anamelohana ny ratsy") izay misy tantara isan-karazany;
* ary misy koa ny ampahan-dahatsoratra maro isan-karazany.
 
== Tantaran'ny Avesta ==