Akoho: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Karazam-borona fiompy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Female pair.jpg|vignette|324x324px|Akoho]]
Ny '''akoho''' dia [[vorona]] fiompy mpitsindroka iray karazana amin'ny [[vorombola]] sy ny [[vorontsiloza]], somary bontolontolo vatana, fohifohy elatra, ompiana noho ny henany sy ny atodiny ary ny lahy dia ompiana mankana mba hampiadina na noho ny fanenony. Ny akoho no karazam-borona maro anisa indrindra satria nahatratra 27 300 000 000 ny isany tamin'ny taona 2018 raha 19 000 000 000 izany tamin'ny taona 2011. ''Gallus gallus domesticus'' no anarany ara-tsiansa. Amin'ny [[teny soahily]] ny akoho dia atao hoe ''kuku''.
 
Raha tsy misy mamono ny akoho voakarakara ara-pahasalamana tsara dia mety velona hatramin'ny 18 taona, nefa 12 taona monja no fahelavelona mety ho tratrany noho ny fahasalamany marefo. Mitsahatra tsy manatody intsony ny akohovavy rehefa lany ny atody 600 hatramin'ny 1000 ao amin'ny tranona'atody tokana ao aminy. Mitranga alohan'ny fotoana anefa izany ho an'ny akoho fiompy.