Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Loharano
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-24:
 
=== Tsy miara-mandray eokaristia ===
Tsy mboka miara-mandray [[eokaristia]] na [[fanasan'ny Tompo]], izay marika hita maso ankoatry ny batisa na [[batemy]] sady [[sakramenta]] roa tokony hiraisan'ny fiangonana mpiombona, ny Kristiana ao amin'ny FFKM. Tsy mbola mifampiditra alitara (na ôtely) ny mpitondra fiangonana na dia efa afaka mifampiditra trano fiangonana sy mifampindrana polipitra aza.
 
Izao, ohatra, ny fanazavana nataon'ny pretran'ny Diosezy Fianarantsoa, Ratongavao Charles Raymond, ao amin'ny boky nosoratany momba ny ekiomenisma (''Abidi-n'ny Ekiomenisma''): "Niteraka resa-be teto amin'ny firenena ity lafin-javatra iray ity. Maro tokoa ireo kristianina avy amin'ny Fiangonana hafa, rehefa manatrika vavaka na fankalazana ny eôkaristia aty amin'ny katolika, no maniry ny mba hanatona ny latabatry ny eôkaristia amin'ny fotoanan'ny komonio. Sakramenta maneho ny fiombonam-pinoana ny eôkaristia, ka raha tany mbola tsy tomombana izany noho ny antony maro, dia mbola voarara ny fahafahana mandray ny eôkaristia - ny fanasan'ny Tompo (protestanta) na ny komoniôna masina (anglikanina) - any amin'ny hafa."<ref><small>Ratongavao Charles Raymond, ''Abidi-n'ny Ekiomenisma'', p. 12.</small></ref>
 
=== Tsy marisika hamaky ny Baiboly DIEM ===
Na dia efa misy aza ilay [[Baiboly DIEM]] dia maro ny mpitondra fivavahana mampiasa ny Baibolin'ny fiangonany amin'ny fotoana anaovana fivavahana iraisam-pinoana.
 
== Boky sy hafa azo anovozan-kevitra ==
 
* Ratongavao Charles Raymond, ''Abidi-n'ny Ekiomenisma'', Edition Ivonea Fianarantsoa, Imprimerie Sait-Paul Fianarantsoa, 2017.
 
== Jereo koa: ==