Melkizedeka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-16:
Ny teny hoe ''El'' sy ''Elyon'' izay natambatra mba ho enti-manondro ilay andriamanitra avo indrindra atao hoe ''El'', dia hita koa ao amin’ireo lahatsoratra tranainy tao amin’ny tany Atsinanana taloha, tany [[Foinikia]] (na Fenisia) sy tao amin'ny vondrom-pianakavian’ andriamanitra tao [[Ogarita]], izay niantsoana manokana andriamanitra roa.
 
Ny lahatsoratra ao amin'ny Bokin'ny Genesisy, izay tsy tena fantatra loharano niaviana, dia miresaka voalohany an'i Melkizedeka aorian'ny fandresen'i Abrahama ireo mpanjaka roa niady taminy. Mba hamaliany ny tsodrano nataon'ny mpanjakan'i Salema azy dia nandoa ampahafolon-karena taminy izy ("''Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra''." Gen/Jen. 14.20). Fanekena ny fahefan'io mpanjaka io ara-pôlitika sy ara-pivavahana angamba izany, izay lasa zon'ny mpanjakaan'i Israely, dia i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] sy ny mpanjaka hafa nandimby azy, tao Jerosalema, renivohitry ny [[Jebosita]] (na Jebosiana) taloha.
 
Mety ho fomba enti-miady amin'ny fandavan'ny [[Hebreo (vahoaka)|vahoaka hebreo]] sasany ny fisian'ny mpanjakan'i Jerosalema izay fahefana afaka mampandoa hetra amin'ny tanin'ny Israelita, izay mihevitra ny maha avy amin' Andriamanitra ny fitondran'ny [[Patriarka (ao amin'ny Baiboly)|Patriarka]] sy ny fandaminana ara-poko izay tsy tiany hialana. Ny fanapahan-kevitr'i Abrahama izay nandoa nyy ampahafolon'ny fafanany rehetra tamin'i Melkizedeka dia heverina ho fototra tsy azo lavina momba ny fandoavana [[ampahafolon-karena]].