Melkizedeka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-33:
 
=== Araka ny Testamenta Vaovao ===
Ny [[Epistily ho an'ny HebereoHebreo]] ao amin'ny toko faha-7 dia manome lanjany lehibe an'i Melkizedeka, "izay tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manan-tetiarana, izay tsy manam-piandohana sy fiafarana ny androny". Ny mpanoratra ny Epistily ho an'ny Hebreo no voalohany (tamin'ny fianteherany amin'ny Genesisy 14) nametraka fampitahana an'i Jesoa amin'i Melkizedeka: ny asam-pisoronan'i Melkizedeka dia tandindona tsy tongalafatry ny fanompoam-pivavahana ambony izay mametraka an'i [[Jesoa]] ho mpisoron-dehibe fanaperana. Noho izany dia lasa "tandindona" ho an'i Kristy i Melkizedeka.
 
Hatramin’ny voalohany ny Kristiana dia efa liana ny amin'ny Salamo faha-60 (izay notononin'i Jesosy, araka ireo evenjely. Ireto misy ohatra vitsy. Ao amin'ny [[Evanjelin'i Marka]] dia izao no voasoratra: "<sup>36</sup> ''Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao''<ref><small>Tonontsiahy avy amin'ny Salamo 110. 1.</small></ref>. <sup>37</sup> ''Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana''." (Marka 12. 36-37), izany dia midika fa i Kristy no "Zanak'i Davida" amin'ny heviny mahakasika loatra ny fanindrahindran-tanindrazana<ref><small>Jereo ny 1 Kôrintina toko 26-28.</small></ref>.
 
=== Araka ny Rain'ny Fingonana ===
Ny lovatsofina navelan'ireo [[Rain'ny Fiangonana|Rain’ny Fiangonana]] (na Aban'ny Eglizy) dia nitrandraka ny fanaovana famakafakana ara-tsarinteny (frantsay: ''exégèse allégorique'') momba ilay andalan-dahatsoratra ao amin'ny Epistily ho an'ny Hebreo, ka nanampy singa vaovao hafa. Nanomboka tamin'i [[Kipriano avy any Kartago|Kipriano]] dia noheverina fa fanaovan-tsorona marina tokoa izay tandindona mialoha ny [[Eokaristia]] (na [[fanasan'ny Tompo]]) ny fitantarana momba an'i Salema. Ity fivoasana ity dia nankasitrahan’ny maro nandritra ny fotoana maharitra noho ny fampidirana azy tao amin'ny kanônan'ny [[lamesa]] rômana. Ireo Aban'ny Eglizy toa an'i [[Ambrosio avy any Milano|Ambrosio]] ohatra, dia nihevitra fa niseho amin'ny alalan'i Melkizedeka ny [[Zanak'Andriamanitra]] tenany, izay ataon'ny mpanoratra maro hafa fa ny [[Fanahy Masina]].
 
Noho ny fanomezan-danja tafahoatra an'i Melkizedeka dia nisy fotoana niadian'ny Rain'ny Fiangonana amin'ny sekta melkizedekiana, izay nanandratra amim-boninahirta an'i Melkizedeka ka ihevitra azy ho hery avy any an-danitra izay lehibe noho i Kristy.