Melkizedeka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Olona resahina ao amin'ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I '''Melkizedeka''' na '''Melkisedeka''' na '''Melkitsedeka''' dia mpanjaka mpisorona resahina ao amin'ny [[Testamenta Taloha]]. Ao amin’ny fitantaran'ny [[Baiboly]] dia nihaona tamin'i [[Abrahama]] i Melkizedeka rehefa niverina avy any amin'ny ady nifanaovany tamin'ireo mpanjaka tany [[Mesôpôtamia]] (na Mezôpôtamia) i Abrahama. Nanome mofo sy divay an'i Abrahama izy ka ho setrin'iezany dia nomen'i Abrahama ny ampahafolon’ny zavatra voababo izy.
 
Ny habetsahan'ny zava-tsy fantatra momba an'i Melkizedeka no niteraka ireo fikarohana sy tombantombana maro momba azy nandritra ny taonjato maro, tao amin'ny endriky fivavahan'ny Israelita taloha aloha (jereo: [[iahvisma]]), avy eo tao amin’ny jodaisma (ao amin’ny [[Salamo]] faha-110 dia heverina ho toy ny tandindon’ny [[Mesia]] izy. ) ary tao amin’ny kristianisma taty aoriana (araka ny manampahaizana kristiana sasany dia tandindon'ny [[eokaristia]] na [[Fanasan'ny Tompo|fanasan’ny Tompo]] ny fanomezan'i Melkizedeka mofo sy divay an'i Abrahama). Ny [[Epistily ho an'ny Hebreo|Epistily ho an’ny Hebreo]] ao amin’ny [[Testamenta Vaovao]] dia manao tonon-tsiahy ny Testamenta Taloha mba hanehoana fa tandindon'i Kristy i Melkizedeka.
 
== Ny anarany ==
Raha ny fiforonan-teny no heverina, ny [[teny hebreo]] hoe ''melek'' dia midika hoe "mpanjaka" ary ny hoe ''zedek'' dia midika hoe "fahamarinana". Amin'ny teny hebreo dia atao hoe מַלְכֵּי־צֶדֶק / ''Malkî-ṣedeq,'' izay midika hoe "mpanjakan’ny fahamarinana" ny anaran'i Melkizedeka. Lazaina fa mpanjakan'i Salema sy mpisoron'ny Avo Indrindra (hebreo: ''El-Elyôn'') izy. Ao amin'ny [[Epistily ho an'ny Hebreo|Epistily ho an’ny Hebreo]] i Kristy dia atao hoe "Mpisoron-dehibe mandrakizay" sahala amin’i Melkizedeka.
 
I [[Filo avy any Aleksandria]] sy i [[Josefa avy any Stridona]], izy samy mpahay tantara jiosy, dia mandika amin'ny [[teny grika]] ny hoe ''Melkizedeka'' amin’ny hoe ''Basileus dikaios''.
 
== I Melkizedeka amin'ny Jodaisma ==
Andalana faha-17:
Ny lahatsoratra ao amin'ny Bokin'ny Genesisy, izay tsy tena fantatra loharano niaviana, dia miresaka voalohany an'i Melkizedeka aorian'ny fandresen'i Abrahama ireo mpanjaka roa niady taminy. Mba hamaliany ny tsodrano nataon'ny mpanjakan'i Salema azy dia nandoa ampahafolon-karena taminy izy ("''Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra''." Gen/Jen. 14.20). Fanekena ny fahefan'io mpanjaka io ara-pôlitika sy ara-pivavahana angamba izany, izay lasa zon'ny mpanjakaan'i Israely, dia i [[Davida]] sy ny mpanjaka hafa nandimby azy, tao Jerosalema, renivohitry ny [[Jebosita]] (na Jebosiana) taloha.
 
Mety ho fomba enti-miady amin'ny fandavan'ny [[Hebreo (vahoaka)|vahoaka hebreo]] sasany ny fisian'ny mpanjakan'i Jerosalema izay fahefana afaka mampandoa hetra amin'ny tanin'ny Israelita, izay mihevitra ny maha avy amin' Andriamanitra ny fitondran'ny [[PatrarkaPatriarka hebreo(ao amin'ny Baiboly)|PatrarkaPatriarka]] sy ny fandaminana ara-poko izay tsy tiany hialana. Ny fanapahan-kevitr'i Abrahama izay nandoa nyy ampahafolon'ny fafanany rehetra tamin'i Melkizedeka dia heverina ho fototra tsy azo lavina momba ny fandoavana [[ampahafolon-karena]].
 
Hita koa ny anarana hoe Melkizedeka ao amin’ny Bokin’ny Salamo hanomezam-boninahitra mpanjaka jiosy iray izay misy mihevitra fa mpisoron-dehibe koa, araka izao: "''Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka''." (Sal. 109/110.4).
Andalana faha-24:
Taty aoriana, hatramin'ny nitrangan'ny [[Kristolojia|kristolojia kristiana]] dia nanao izay hiheverana an'i Melkizedeka ho [[Jiosy]] na fara-hafakeliny ho iray amin'ireo Patriarka ny literatioran'ny raby. Araka ny fanaovana fivoasana nataon'ny raby toa an'i Rachi dia i [[Sema]] rain'ny Semita sady zanak'i [[Noa]] (na Nôe) io Melkizedeka io. I Sema mantsy lazaina fa niaina nandritra ny 610 taona ka tokony ho nifankahita tamin'i Abrahama.  
 
Ny lovantsofina sasany dia nanao an'i Melkizedeka ho ny arkanjely [[Mikaela (arikanjely)|Mikaela]] (na Misely). Manoloana ny famakafakana lahatsoratra kristiana izay miainga mazava amin’ny andalana ao amin’ny [[Epistily ho an'ny Hebreo]] (na Epistolà ho an'ny Hebrio), ny raby dia niova fomba fijery tanteraka: i Abrahama no nomem-boninahitra noho ny nihaonany tamin'i Melkizedeka; ny lahatsoratra sasany dia milaza fa ny mpanjakan'i Salema izay naongana dia namindra ny asam-pisoronany tamin'io patriarka io.
 
=== Ao amin'ny boky apokrifa ===
Hita koa io anarana io ao amin’ireo boky tsy voaray ho kanônan'ny Baiboly. Ireo lahatsoratra ivelan'ny [[Kanonan'ny Baiboly|literatiora kanonika]] dia manome toerana lehibe an'i Melkizedeka sy ny anjara asany. Ao amin'ny [[Boky faharoan'i Henoka|Bokin'i Henoka slava]] dia lazaina fa naterak'i Sofonima vadin'i Nira rahalahin'i Noa (na Noe) i Melkizedeka.
 
== I Melkizedeka amin'ny kristianisma ==
Andalana faha-37:
 
=== Araka ny Rain'ny Fingonana ===
Ny lovatsofina navelan'ireo [[Rain'ny Fiangonana|Rain’ny Fiangonana]] (na Aban'ny Eglizy) dia nitrandraka ny fanaovana famakafakana ara-tsarinteny (frantsay: ''exégèse allégorique'') momba ilay andalan-dahatsoratra ao amin'ny Epistily ho an'ny Hebreo, ka nanampy singa vaovao hafa. Nanomboka tamin'i [[Kipriano avy any Kartago|Kipriano]] dia noheverina fa fanaovan-tsorona marina tokoa izay tandindona mialoha ny [[Eokaristia]] (na [[fanasan'ny Tompo]]) ny fitantarana momba an'i Salema. Ity fivoasana ity dia nankasitrahan’ny maro nandritra ny fotoana maharitra noho ny fampidirana azy tao amin'ny kanônan'ny [[lamesa]] rômana. Ireo Aban'ny Eglizy toa an'i [[Ambrosio]] ohatra, dia nihevitra fa niseho amin'ny alalan'i Melkizedeka ny [[Zanak'AndrimanitraAndriamanitra]] tenany, izay ataon'ny mpanoratra maro hafa fa ny [[Fanahy Masina]].
 
Noho ny fanomezan-danja tafahoatra an'i Melkizedeka dia nisy fotoana niadian'ny Rain’nyRain'ny Fiangonana amin'ny sekta melkizedekiana, izay nanandratra amim-boninahirta an'i Melkizedeka ka ihevitra azy ho hery avy any an-danitra izay lehibe noho i Kristy.
 
== Loharano sy fanamarihana ==