Kôngregasiônalisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''kongregasionalisma''' dia endri-pitantanam-piangonana izay manome fahefana ny mpikambana rehetra ao amin'ny fiangonana isan-toerana, izany hoe ny Kristiana rehetra. Izany fomba fitantanana izany dia aorin'ny mpankasitraka azy amin'izay voalaza ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]], indrindra araka ny [[Asan'ny Apostoly]]. Tao amin'ny fiangonana voalohany dia izany no fomba nitantanana ny fiangonana isan-toerana rehetra talohan'ny nisian'ny fanavahana ny Kristiana ho sokajy roa, dia ny mpitondra fiangonana sy ny kristiana tsotra. Nanomboka tamin'ny emperora [[Konstantino I]] tamin'ny taona 315 no nisian'izany fizaràna ny Kristiana ao amin'ny fiangonana iray ho roa izany.
 
Teo amin'ny tantara dia maro ireo fihetsiketsehana sy fikambanana kristiana avy amin'ny [[Fanavaozam-piangonana]] nampihatra izany fomba fitondram-piangonana izany. Mampihatra ny [[demokrasia]] mivantana ny kongregasionalisma satria manome fahefana ny mpino rehetra ao am-piangonana.