Bazilika Masindahy Piera: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rôhy sy tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina sy rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
[[Sary:Basilica di San Pietro in Vaticano September 2015-1a.jpg|vignette|454x454px|Ny Bazilika Masindahy Piera]]
Ny '''bazilika Masindahy Piera''' dia trano fiangonana lehibe indrindra amin'ny fivavahana katolika. Ao [[Vatikàna]] eo amin'ny ilan'ny renirano Tibra, no iorenany, ary ny mitodika manoloana ny Toera-malalaka Masindahy Piera. Atao hoe ''Basilica Sancti Petri'' izy amin'ny [[teny latina]] fa ''Basilica di San Pietro in Vaticano'' kosa amin'ny [[teny italiana]].
 
Eo amin'ny toerana nahatongavan'ireo mpanao [[fivahiniana masina]] voalohany hanao fanompoam-pivavahana amin'i [[Masindahy Piera|Md Piera]] no nanorenana azy araka ny sitrapon'i [[Konstantino I]], eo amin'ny toerana nisy ny toeram-pilalaovana naorin'i [[Kaligola]] sy i [[Nerô]].
 
Ny papa [[Jolio II (papa)|Jolio II]], avy eo ny mpandimby azy [[Leo X]], dia nampiasa ny [[endolzansy]] (na indolzansa), tamin'ny alalan'ilay dominikanadôminikana alemàna atao hoe [[Johann Tetzel]], mba hamatsiam-bola ny fanamboarana ilay bazilika. Nanameloka izany fivarotana ny endolzasyendolzansy izany i Martin Lotera ao amin'ireo [[Tsangan-kevitra 95n'i Lotera|tsangan-kevitra 95]] (31 Oktobra 1517), dia ny endolzansy izay noheveriny fa fanararaotana nataon'ny Eglizy katolikakatôlika romanarômana sy fanodinana ny sitrapon' Andriamanitra. Izany no niteraka ny [[reformasiona|refôrmasiona]] sy ny [[protestantisma|prôtestantisma]].
 
Voasoratra ho isan'ny harena iraisam-pirenena ao amin'ny [[UNESCO]] ny bazilika Md Piera, izy no trano vita tamin'ny mari-trano avo lenta sady izy no trano be mpitsidika indrindra maneran-tany. Nanomboka tamin'ny 18 Avrily 1506 ny nanamboarana azy ka tsy nifarana izany raha tsy tamin'ny taona 1626. Isan'ireo mpanao mari-trano nandray anjara tamin'ny fanamboarana ilay bazilika i Donato Bramante sy i Michelangelo di Lodovico Buonarroti Simoni sy i Carlo Maderno ary i Gian Lorenzo Bernini.
 
Na dia tsy voasoratra ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] aza ny nahatongavan'ny apostoly Piera (na Petera) tao RomaRôma amin'ny maha lohan'ny Fiangonana kristiana azy ([[eveka]] voalohan'i [[Antiôka]] sy RomaRôma, izany hoe [[papa]] voalohany), na ny nahafatesany martira tao, dia manambara ny KatolikaKatôlika, araka ny [[lovantsofina]], fa ao afovoan' io bazilika io no misy ny fasan'i Md Piera.
 
Mahasarika mpanao fivahiniana masina maro ny bazilika Md Piera izay mahatarika KatolikaKatôlika miisa any amin'ny 150 000 isan'Alahady amin'ny fotoam-pivavahan'ny vavaky ny anjely (''angelus'') tarihin'ny [[papa]]. Izy no trano fiangonan'ny papa sy ny Fanjakan'i Vatikàna.
 
Laharana faharoa amin'ny bazilika efatra ao RomaRôma ny bazilika Md Piera, ka ny voalohany dia ny ''Basilica di'' ''San Giovanni in Laterano'', ny fahatelo dia ny ''Basilica di Santa Maria Maggiore'', ary ny fahefatra dia ny ''Basilica di San Paolo fuori le mura''. Ny velaran'ny bazilika Md Piera dia mahatratra 2,3 hahekitara sady afaka mandray olona miisa 60 000. Izy no trano fiangonana lehibe indrindra maneran-tany.