Dispensasiônalisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
[[Sary:JohnNelsonDarby.jpg|vignette|I John Nelson Darby]]
Ny '''dispensasionalisma''' dia foto-pampianarana kristiana [[Evanjelisma|evanjelika]] miorina amin'ny fanakarana ny hevitry ny Tantara araka ny [[Baiboly]] ka andinihana ny fomba ampiasan'Andriamanitra amim-pahefana ny fanjakàny eto amin'izao tontolo izao mba hanatrarany ny tanjony. I John Nelson Darby<ref><small>John Nelson Darby (1800-1882) dia mpitoriteny ao amin’ny firehana kristiana ara-pilazantsara (evanjelika) tao amin’ny fikambanana atao hoe ''Plymouth Brethren'' tany Irlandy sy Britaina Lehibe ary mpanorina ny atao hoe ''Exclusive Brethren'' sady mpandika tenin’ny Baiboly amin’ny fiteny maro.</small></ref> no nandrafitra izany ho fampianarana tao amin'ny asasorany sady namelatra azy tao amin'ny fihetsiketsehana ara-pilazantsara sy mpitazona ny rakitry ny ela, dia ny [[Fiangonan'ny mpirahalahy|Fiangonan'ny Mpirahalahy]] (anglisy: ''Plymouth Brethren''; frantsay: ''Assemblées des Frères'') izany, izay lasa nalaza noho ny fivoasana nataon'i Cyrus Scolfield<ref><small>I Cyrus Ingerson Scofield (1843-1921) dia teolojiana amerikana, pastora, kongregasionalista ary mpanorartra.</small></ref> <ref><small>Blaising, Craig A. et Darrell L. Bock, 1993, ''Progressive Dispensationalism''. Wheaton, IL: BridgePoint (<nowiki>ISBN 1-56476-138-X</nowiki>)</small></ref>.
 
Ny dispensasionalisma dia manolotra fivoasana ny [[Apokalypsin'i Jaona|Bokin'ny Apokalipsy]], tsy toy ny fitantarana zavatra efa lasa (preterisma), fa amin'ny maha firesahana zavatra mbola ho avy azy<ref><small>Hasel, Gerhard, 1990, ''Crossroads in Prophetic Interpretation: Historicism versus Futurism'' (paper), Indianapolis, IN: World Ministers Council (July 3, 1990).</small></ref>. Hita ao amin'ireo fiangonana evanjelika, indrindra ny ao Etazonia, ny dispensasionalisma, ka isan'izany ireo fikambanam-pinoana kristiana tsy miankina amin'ny fiangonana, ny [[Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara|Fiangonana baptista]] sy ny [[Fiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)|Fiangonana pentekotista]] ary ireo fikambanam-panavaozana karismatika. Ny isan'ny Kristiana manaraka ny dispansasionalisma ao Etazonia fotsiny dia 5.000.000<ref><small>Stephen Spector [http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.co.uk%2Fbooks%3Fid%3DFi8sJ6iOX_cC%26pg%3DPA188 "Evangelicals and Israel: The Story of American Christian Zionism"], [tahiry], p. 188.</small></ref> na 18.000.000-25.000.000<ref><small>[https://books.google.co.uk/books?id=huMlsCYyI5YC&pg=PT29#v=onepage&q&f=false "A Case for Historic Premillennialism"], edité par Craig L. Blomberg, Sung Wook Chung [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.co.uk%2Fbooks%3Fid%3DhuMlsCYyI5YC%26pg%3DPT29 tahiry]], p. 28</small></ref> na 40.000.000<ref name=":0"><small>[https://www.bibliquest.net/Auteurs_divers/Ryrie-Dispensationalisme.htm#TM3 «Le dispensationalisme - Hier et Aujourd'hui»] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.bibliquest.org%2FAuteurs_divers%2FRyrie-Dispensationalisme.htm%23TM3 tahiry]], Charles C. Ryrie, 1997.</small></ref>, arakaraka ireo mpanao tombana. Amin'ny ankapobeny dia mitsipaka ny dispensionalisma ny fiangonana [[Protestantisma|protestanta]] maro hafa.