Fivoahan' ny Zanak' i Israely avy any Egipta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina sy rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-2:
Ny '''Fivoahan'ny Zanak'i Israely avy any Egipta''' dia fitantarana ao amin'ny [[Baiboly]] izay milaza ny fahafahana azon'ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] teo ambany fitarihan'i [[Mosesy]] (na Môizy) sy [[Arona|Aarôna]] (na Arona), avy amin'ny fanadevozan'ny Egiptiana azy ireo nandritra ny taonjato maro, ka nahazoan'izy ireo miverina indray any amin'ny tany [[Kanaana (faritra)|Kanaana]] sy haka izany tany izany araka ny fampanantenana nataon'Andriamanitra amin'ireo razany. Tantaraina ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy]] (na Eksaody) sy ny [[Bokin'ny Levitikosy]] (na Levitika) sy ny [[Bokin'ny Fanisana]] (na Nomery) ary ny [[Bokin'ny Deoteronomia]] (na Deoterônômy) ny fivoahan'ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] avy tany Egipta. Amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] dia atao hoe יציאת מצרים / ''Yetsi'at Mitzrayim'' ("fivoahana an'i Egipta) izany fitantarana izany.
 
Izany fitantaranatantara izany dia heverin'ny [[Jiosy]] fa iray amin'ireo zava-nitranga manorina ny [[fivavahana jiosy]] (niaraka tamin'ny fanomezana ny [[Torah]] teo amin'ny [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|tendrombohitra Sinay]] na Sinaia), izay iorenan'ny finoany an' Andriamanitra iraytokana afaka mireseka sy mihaino ary miditra an-tsehatra mivantana ao amin'ny [[Tantara]], sady ankalazaina izany zava-nitranga izany amin'ny andro firavoravoan'ny [[Paska jiosy]] (''Pesa'h'').
 
Mampiady hevitra ny manampahaizana anefa ny maha ara-tantara tokoa io fitantarana ny fivoahan'ny Israelita avy any Egipta araka ny Baiboly io, izay hoatry ny tsy tena mifanaraka amin'ny fanoritsoritana zava-mitranga ara-tantara. Araka ny lazain'ny mpahay tantara atao hoe Nadav Naaman, ny fitantarana ny fivoahana avy any Egipta sy ny fakana ny tany Kanaana dia tantara namboarina manana lanja ara-kaisoratra sy ara-teolojia manambara ny fahaverezan'ny fifehezan'ny tafika egiptiana ny tany Kanaana izay heverina ho toy ny fanafahana, ka navadiky ny [[lovantsofina]] ara-kolontsaina jiosy ho fivoahana avy any Egipta.