Maria (renin' i Jesoa): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-5:
 
==== I Maria sy ny fahaterahan'i Jesoa ====
Mitantara ny fanambaràn'ny anjely [[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]] (na Gabriely) mialoha tamin'i Maria ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Evanjelin'i Matio]] sy ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|an'i Lioka]], avy eo tamin'i [[Josefa (vadin'i Maria)|Josefa]] fofombadiny ny amin'ny hahaterahan'i Jesoa. Manome toerana betsaka an'i Maria ny fitantaran'ny Evanjelin'i Lioka toy izay ny an'i Matio. Tantarainy ny amin'ny [[anjely]] izay niseho tamin'i Maria fa ny an'i Matio kosa miresaka ny amin'ny nofin'i [[Josefa (vadin'i Maria)|Josefa]] sy ny [[anjely]] niseho taminy (Lio. 1.21-35; Mat. 1.18-23).
 
Noho i Maria bevohoka nefa tsy nanao firaisana ara-nofo tamin'i Josefa dia niahiahy azy ho nijangajanga i Josefa ka nieritreritra ny hisaraka aminy mba tsy hanahirana azy, satria araka ny lalàna jiosy dia mety hiharan'ny fitoraham-bato i Maria<ref><small>Agnès Walch, ''Histoire de l'adultère'', Librairie Académique Perrin, 2009, <abbr>p.</abbr> 54.</small></ref>. Nisy anjely anefa nanazava tamin'i Josefa fa nitoe-jaza noho ny herin'ny [[Fanahy Masina]] i Maria sady nandresy lahatra azy ilay anjely mba tsy hanatanterahany ny eritreriny (Mat. 1.18-19).
Andalana faha-14:
 
==== I Maria sy ny fahazazan'i Jesoa ====
Ireo [[Evanjely]] ireo dia miresaka koa ny amin'ny fitondrana an'i Jesoa zaza tany amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] mba hanatanteraka ny fanatitra tokony hatao noho ny voalohan-teraka. Naminany i Simeona fa hiaritra fangirifiriana i Maria (Lio. 2.21-35). Ary taty aoriana dia nitranga ny tantaran'ny fahaverezan'i Jesoa tamin'ny faha-12 taonany (Lio. 2.41-51) tamin'ny niakaran'izy ireo ho any amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema]] izay fanao isan-taona: raha nody any [[Nazareta]] ireo ray aman-dreniny dia nitoetra tao an-Tempoly i Jesoa niady hevitra tamin'ireo "mpanora-dalàna"[[mpanoradalàna]] (manam-pahaizana momba ny [[Soratra Masina]] jiosy: ny [[Torah]]).
 
==== I Maria sy ny fahalehibeazana ary ny fahafatesan'i Jesoa ====
[[Sary:Pietro Perugino 040.jpg|vignette|''Fanomboana,'' nataon'i Le Pérugin, taona 1482]]
Ny [[Filazantsara araka an'i Jaona|Evanjelin'i Joany]] dia mitantara fa teo koa i Maria raha nanatrika fampakaram-bady tao Kana i Jesoa (Joa. 2.1-11). Nitady an'i Jesoa izay mbola nampianatra koa i Maria indray andro (Mar. 3.31-35) ary farany tamin'ny [[fanomboana an'i Jesoa]] tamin'ny [[hazo fijaliana]]. Nametraka an'i Maria tamin'ny "mpianatra tiany" i Jesoa alohan'ny hahafatesany:
 
"<small>25</small> Ary nijanona teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin'i Klopa, sy Maria Magdalena. <small>26</small> Ary nony hitan'i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin'ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!" (Joa. 19.25-26).
 
Araka ny [[Asan'ny Apostoly]] dia niara-nivory tamin'ireo mpiantr[[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianatr'i Jesoa]] i Maria tamin'ny andron'ny [[Pentekosta]] (Asa 1.14).
 
== Jereo koa: ==