Kônsily tao Tridentio: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Namafa soratra tsy ilaina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
Ny '''Konsily tao Trindentio''' na '''Konsily tao Trento''' dia [[konsily]] ekiomenikan'ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]] tamin'ny taonjato faha-16 izay natao hamaliana ny [[Reformasiona protestanta]] ka nanamafy ireo [[tenim-pinoana]] lehibe. Ny fanapahan-kevitry ny konsily dia nohamafisin'ny papa [[Pio IX|Pio IV]] tamin'ny 26 Janoary 1564. Izany fanapahan-kevitra izany dia namaritra fitsipika mifehy ny Fiangonana katolika izay nananan-kery hatramin'i zayizay ka hatr'eo an-tenantenan' ny taonjato faha-20.
 
Io no konsily ekiomenika fahasivy eken' ny Fiangonana katolika. Ny papa [[Paoly III]] no nampanao io konsily io tamin'ny 22 Mey 1542 mba hamaliana ny fangatahan' i [[Martin Lotera]] tao amlinamin' ny sehatry ny [[reformasiona]] protestanta, ka nanomboka tamin' ny 13 Desambra 1545 izany ary nifarana tamin' ny 4 Desambra 1563. Notanterahina nandritra ny valo ambin' ny folo taona ny fiatrehana ny konsily ka fitondram-papa dimy nifandimby no mifanandrify amin' izany, dia i [[Paoly III]], i [[Jolio III]], i [[Marsely II]], i [[Paoly IV]] ary i [[Pio IV]]. Tao amin' ny katedralin' i San Vigilio tao [[TredentioTridentio]] no nanaovana azy, avy eo tao Bologne ary farany dia naverina tao Tridentio indray tao amin'ny fiangonana Santa Maria Maggiore.
 
Mba hamaliana ny hevitry ny [[Protestantisma|Protestanta]], ny konsily dia nanamafy ny foto-pampianaram-pinoana ny amin' ny [[fahotana tamin'ny fototra]] izay nambara tamin' ny [[konsily faha-16 tao Kartago]] (na Kartazy) tamin' ny taona 418,. nanamafyIzany koa fadia nanamafy ny fanamarinana, ny fahefan' ny [[Baiboly]] izay an' ny Katolika romana manokana sady nanamafy, ireo [[sakramenta]] fito, ny fivavahana atao amin' ny olo-masina sy amin' ny sisan-javatra navelan' ny maty ([[relika]]) ary koa ny [[tenim-pinoana]] (dogma) ny amin' ny [[transsobstansiasiona]]. Raha ny amin' ny fifampifehezanafitsipi-pifehezana indray dia namorona ny seminera diosezanina natokana hanofanana ny [[pretra]] izany konsily izany.
 
Ny Konsily tao Tridentio no isan' ny konsily lehibe indrindra teo amin' ny tantaran' ny [[Katolisisma|katolilsisma]]. Mampahatsiahy azy matetika ny [[Kosily Vatikàna II]] (1962-1965). Teo anelanelan' ny Kosily tao Tridentio sy ny Konsily Vatikàna II dia tsy nisy afa-tsy konsily iray, dia ny [[Konsily Vatikàna I]] (1869-1870), izay namaritra ny tenim-pinoanan' ny [[Tsy fetezan-dison'ny Papa|tsy fetezan-dison'ny papa]], nefa nitsahatra izany noho ny ady nifanaovan' ny [[Frantsa|Frantsay]] sy ny [[Alemaina|Alemàna]] tamin' ny taona 1870 sy ny fidiran' ny tafika italiana an-tsehatra izay naka ireo fari-panjakan' ny papa ho fehezin' i [[Italia]].