Konsobstansiasiona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
 
Andalana faha-1:
[[Sary:St Michael the Archangel, Findlay, OH - bread and wine crop 1.jpg|vignette|276x276px]]
Ny '''konsobstansiasiona''', araka ny fampianaram-pinoana [[Loteranisma|loterana]], dia ny fitehirizan'ny mofo sy ny divay ny maha-izy -azy nefa miara-mikambana amin'ny maha-izy -azy ny tena sy ny ran'i [[Jesosy Kristy]]. Izany fampianarana izany, izay nofaritan'i [[William of Ockham]] (frantsay: ''Guillaume d'Occam'') na i [[Duns Scotus|Duns Scots]], dia noraisin'i [[Martin Lotera]] tamin'ny taona 1520. Avy amin'ny [[teny latina]] hoe ''consubstatiatio'' io teny io. Izany dia midika fa miaraka amin'ny mpino amin'ny fotoana ankalazana ny [[eokaristia]] (na [[fanasan'ny Tompo]]) i Kristy. Ny mpianatr'i Lotera atao hoe [[Melanchton]] anefa no tena nampiasa io teny hoe ''consubstantiatio'' io na dia efa tao amin'ny soratr'i Lotera aza ny zavatra tiana holazaina amin'izany.
[[Sary:Lucas Cranach d.Ä. - Bildnis des Martin Luther (Sotheby's, 2009).jpg|vignette|154x154px|''I Martin Lotera'', sary nataon'i Lucas Cranach.]]
Misy itoviany amin'ny fampianarana momba ny [[transsobstansiasiona]] (na [[fiovam-pisia-maha-izy]]) ny konsobstansiasiona nefa misy zavatra ifanoherany aminy. Ireo hevitra roa ireo dia isamysamy naorina amin' ny fampianaran' ny [[Filôzôfia|filozôfa]] [[Aristoty]] izay milaza fa ny raha dia foronin' ny singa tsy mifampiankina, izay mety ho tsapan' ny fitaovam-pandrenesana, sy fisia-maha-izy ([[Sobstansa (teolojia)|sobstansa]]) izay tsy tsapa afa-tsy amin'ny alalan'ny [[fanahy]] sady mamorona ny fisiana tena izy. Ny fampianarana ny transsobstansiasiona sy ny konsobstansiasiona dia samy manaiky fa ao amin'ny eokaristia dia tsy miova ny singa roa, dia ny mofo sy ny divay. Mifanohitra amin'ny fampianarana ny amin'ny transsobstansiasiona anefa ny konsobstansiansiona izay manambara fa ny maha-izy (sobstansan') ny mofo sy ny divay dia tsy miova koa, ny tenan'i [[Kristy]] izay misy amin' ny toerana rehetra dia miara-misy "ao sy miaraka ary amin'ny alalan'ny" maha-izy (sobstansan') ny mofo, ary misy "ao sy miaraka ary amin'ny alalan'ny" divay ny ran'i Kristy, noho ny herin' ny tenin' Andriamanitra.
 
Oharin'i Lotera amin' ny vy atao ao anaty afo ny konsobstansiasiona: ny vy sy ny afo dia miray ao amin'ny vy nohafanaina, nefa ireo zavatra roa ireo dia tsy miova.
 
Nanohitra io fiheveran'i Lotera sy ny an'ny Katolika io i [[Ulrich Zwingli|Zwingli]] izay milaza fa ny eokaristia dia ahatsiarovana eo amin'ny fivorian'ny mpino, ny sakafo farany niarahan'i [[Jesosy]] amin'ny [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianany]] izay mampahatsiahy ny soa sy ny fahasoavana rehetra nomen' Andriamanitra antsika amin'ny alalan'i JososyJesosy Kristy [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|zanany]]. Manambara koa i Zwingli fa i Kristy dia tsy ao anatin'ny mofo sy ny divay ara-batana fa ao amin'ny fo sy ny fganahyfanahy ary ny fiinanfiainan'izay miangonamiara-mivavaka ka mifampizara ny mofo sy ny divay.