Teôlôjian' ny fanafahana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-1:
[[Sary:Gustavo gutierrez.jpg|vignette|336x336px|I Gustavo Gutierrez tamin'ny taona 2007]]
Ny '''teolojian'ny fanafahana''' dia firehana [[Teolojia|teolojika]] kristiana izay nandray ampahany amin'ny fotokevitra [[Marksisma|marksista]] avy ao [[Alemaina]] izay naondrana mankany [[Amerika Latina]], ary narahin'ny fihetsiketsehana ara-piarahamonina sy ara-politika, mikendry ny hamerina ny fahamendrehana sy ny fanantenan'ny mahantra sy ireo voailikilika ary hanafaka azy ireo amin'ny toe-javatra tsy azo leferina iainany. Io teolojia io dia miorim-paka amin'ny zavatra niainan'ny [[vahoaka hebreo]] notarihin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] hiampita ny [[Ranomasina Mena]] sy namakivaky tany efitra avy any amin'ny tany nahandevozana, i Egipta, ho any amin'ny "Tany nampanantenaina", dia ny tany [[Kanaana (faritra)|Kanaana]], araka ny ''[[Bokin'ny Eksodosy]]'' ao amin'ny [[Baiboly]] (Eks. 12 sy ny manaraka). Izany dia "hiakam-paminaniana" ho amin'ny fanjakan'ny fahamarinana bebe kokoa sy ho amin'ny firotsahana an-tsehatra amin'ny fampisiana ny "[[Fanjakan'Andriamanitra|Fanjakan' Andriamanitra]]" izay tokony efa manomboka sahady ety an-tany. Ny fisaintsainana teolojika dia miainga amin'izao fototra izao: mamaky Baiboly ny vahoaka mivory dia kadka mahita fankaherezana sy aingam-panahyfanilovana handraisany an-tanana ny hoaviny.
 
Ny hoe "teolojian'ny fanafahana" dia nampiasain'ny pretra [[Però|peroviana]] Gustavo Gutiérrez nandritra ny kongresy nataon'ny ''Consejo Episcopal Latinoamericano'' (CELAM) tao Medellín, tanàna any [[Kolombia]], tamin'ny taona 1968, izay nivorian'ireo [[eveka]]<nowiki/>n'ny Eglizy katolikan'i Amerika Latina sy Karaiba. Novelabelariny sady nakambany ao amin'ny boky ''Teología de la liberación'' nivoaka tamin'ny taona 1972 ny fandinihany, izay azo heverina fa teboka niaingan'io firehana teolojika io. Tamin'io taona io ihany dia nanohana ny tsanga-keviny ilay [[Presbiterianisma|presbiteriana]] Rubem Alves any [[Brezila]] tao amin'ny bokiny ''Towards a theology of liberation''.
 
Amin'ny lafiny fampiharana dia hita fa nindramina tamin'ny marksisma ny fitaovam-pitsikerana sy fandinihana nampiasaina, na dia saiky mihataka tanteraka amin'ny fotokevitra marksiatamarksista aza ireo teolojianan'ny fanafahana. Asandrany avo ny fanafahana ny vahoaka ka fiverenana indray amin'ny lovam-pampianarana kristiana momba ny firaisan-kina izany. Isan'ireo malaza amin'ny teolojianan'ny fanafahana ny [[arseveka]] katolika breziliana Hélder Câmara sy ny arseveka katolika Oscar Romero tany [[Salvadoro]] na koa ilay teolojiana breziliana Leonardo Boff.