Fahagagana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-18:
== Ny fahagagana ao amin'ny kristianisma ==
[[Sary:Nicolas Colombel - Christ Healing the Blind.jpg|vignette|256x256px|''Manasitrana ilay teraka jamba i Kristy'', nataon'i Nicolas Colombel, taona 1682.]]
Araka ny voasoratra ao amin'ireo [[Evanjely]] dia nanao fahagagana i [[Jesosy]] ka nitana toerana lehibe izany. Nisy fanasitranana mahagaga vokatry ny finoana sy ny famoahana demonia. Nisy koa ny fanovana ny [[rano]] ho [[divay]] tamin'ny fampakaram-bady tao Kanà. Nisy ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fananganana amin'ny maty]] sahala amin'ny an'i [[Lazarosy avy any Betania|Lazarosy]] (na Lazara), ny fampitomboana ny mofo sy ny hazandrano. Misy koa ireo fahagagana taterin'ny [[Asan'ny Apostoly]] sahala amin'ny fanasitranana mahagaga an'ilay mandringa tamin'ny alalan'ny vavak'i [[Petera]] (na Piera) sy i [[Joany apostoly|Joany]] (na Jaona).
 
Ny [[Evanjely]] dia ahitana karazana fahagagana telo notanterahin'i [[Jesosy]], dia ny [[fandroahana fanahy ratsy]] sy ny fanasitranana aretina ary ny fanehoana zava-mahatalanjona eo amin'ny zavaboary <ref><small>Funk, Robert W. and the Jesus Seminar. ''The acts of Jesus: the search for the authentic deeds of Jesus.'' HarperSanFrancisco. 1998. Introduction, p. 1–40</small></ref>. Ao amin'ny [[Evanjelin'i Joany]] dia antsoina hoe "famantarana" ny fahagagana sady io evanjely io dia manantitra ny asan'Andriamanitra izay ao ambadik'ireo fahagagana ireo<ref> <small>William Temple, ''Readings in St John's Gospel'' (p. 33)</small> </ref>. Ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] dia ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty no fahagagana lehibe indrindra ka io no ivon'ny finoan'ny Kristiana.