Ora (tanana tamin' ny Andro Taloha): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Ur-Nassiriyah.jpg|vignette|323x323px|Sisam-paharavàn'i Ora]]
I '''Ora,''' izay atao ankehitriny hoe Tell al-Muqayar, dia iray amin'ireo tanàna lehibe tranainy tany [[Mesopotamia]] tamin'ny [[Andro Taloha]], izay ao [[Iràka]] ankehitriny. Tamoron'ny iray amin'ny sampan'ny ony [[Eofrata]] no niorenany tamin'izany fotoana izany sady akaiky ny [[Helodrano Persika]].
[[Sary:Meso2mil-English.JPG|vignette|I [[Mesôpôtamia]] tamin'ny taonarivo faha-3 tal. J.K. ahirana ireo taàna fahizay, hatrany Ora any atsimo ka hatrany [[Ninive]] (na Niniva) any avaratra.]]
 
Isan'ireo tanàna [[Somera|someriana]] nanana ny maha izy azy sady natanjaka i Ora tamin'ny taonarivo faha-3 tal. J.K., ka maneho izany ireo fasa-mpanjaka sy ireo fanaka fandevenana izay hita tao amin'ireo fasana ireo. Nandritra ny taonjato faha-21 tal. J.K. dia renivohitry ny fanjakana matanjaka notapahin'ny mpanjaka avy amin'ny dinastia fahatelo tao Ora, araka ny lovantsofina mesopotamiana. Nanangana trano sy zavatra hafa miezinezina maro ireo mpanjaka ireo tao amin'ny fitoerana masina natokana ho an'ny andriamani-dehiben'io tanàna io, dia ny Andriamanitra-Volana, atao hoe ''Nanna'' amin'ny [[Fiteny someriana|teny someriana]] fa ''Sin'' kosa amin'ny [[Fiteny akadiana|teny akadiana]]. Tamin'ny fiantombohan'ny taonarivo faha-3 tal. J.K. dia mbola tanàna lehibe i Ora, araka ireo trano sy zavatra voaorina sy ireo vato na tanimanga fanoratana amin'ny tarehin-tsoratra miendri-pantsika hitan'ireo arkeologa notarihin'i Leonard Woolley, izay nanao fisavana ny sisam-paharavany tamin'ny taona 1922 sy 1934.