Kirôsy Lehibe: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-12:
I '''Kirosy Lehibe,''' izay atao hoe '''Kirosy II''', dia mpanjakan'i [[Persia]] tamin'ny taona 559 hatramin'ny taona 530 tal. J.K., teraka tamin'ny taona 590 tal. J.K. ary maty ny taona 529 tal. J.K. I Kambisesy I no rainy. Ny vadiny dia Kasandana. Ny zanany dia i Bardia, i Atosa, i Artistona, i Roksane ary i Kambisesy II. Izy no nanorina ny Empira persiana (na persa) izay nandimby ny [[Mediana|Fanjakana medianita]] (na meda). Avy amin'ny teny persiana tranainy hoe ''Kûrash'' izay midika hoe "masoandro" io anarany io''.'' Atao hoe '''Sirosy Lehibe''' na '''Sirosy II''' koa izy amin'ny teny malagasy notakarina amin'ny fanononana frantsay.
 
Isan'ny fianakavia-manjakan'ny [[Akemenida]] (na Asemenida) izy. Fanafihana sy famaboan-tany etsy sy eroa tsy nisy toa azy no nanamarika ny fotoana nanjakany: rehefa avy nampanaiky ny fanapahany ny [[Mediana]] (na Meda) izy dia nanjaka koa tamin'ny Fanjakan'ny Lidia sy ny tanàn-dehibe grika tao Ionia, avy eo tamin'ny Empira babiloniana vaovao (isan'izany i [[Mesopotamia]], i [[Siria (faritra)|Siria]], ireo tanan-dehibe foinikiana ary i [[Jodea]]). Maty nandritra ny ady nifanaovany tamin'ireo Masageta (grika: Μασσαγέται / ''Massagetai'') i Kirosy Lehibe. Ny fanjakàny dia nanova ny tantaran'izao tontolo izao tamin'ny [[Andro Taloha]].
 
== Nanompo ny Mediana i Kirosy II ==
Isan'ny fianakaviana akemenida i Kirosy Lehibe izay nandimby an-drainy (i Kambisesy I) nitondra ny faritra persianan'i Ansàna (faritany any Iràna ankehitriny) tamin'ny taona 558 tal. J.K. I Ansàna tamin'izany fotoana izany dia fanjakana nanompo ny Mediana. Tamin'ny taona 553 tal. J.K. dia nitarika fikomiana lehibe nnoherana ny Mediana i Kirosy II. Rehefa lany ny telo volana niadiana dia voasambotr'i Kirosy ny mpanjaka mediana Astiagosy ka nahatonga ny faharavàn'ny Empira mediana izany.
 
== Lasa mpanjakan'i Persia i Kirosy II ==
Rehefa nandresy ny [[Mediana]] i Kirosy II dia nanambara ny tenany fa mpanjakan'i [[Persia]] ka nanapaka tany midadasika hatrany amin'ny ony Halisy any andrefana ka hatrany amin'ny [[Empiran'i Babilôna]] any atsimo sy atsinanana). Nikambana ny Egiptiana sy ny Lidiana sy ny Pertiana ary ny Babilôniana mba hisakana ny herin'i Kirosy Lehibe, nefa tamin'ny taona 546 tal. J.K. dia resiny i Kresosy mpanjakan'i Lidia ka izy no nifehy an'i [[Azia Minora]]. Tamin'ny taona 539 tal. J.K. dia azon'i Kirosy i [[Babilôna]].
 
Tamin'ny andron'i Kirosy Lehibe no nahatraran'ny Empira persiana ny far atampon'ny tanjany, izay tsy nifarana raha tsy tamin'ny nahazoan'i [[Aleksandra Lehibe]] azy tamin'ny taona 331 tal. J.K. Sady mpitari-tafika sy mpanao politika mahay i Kirosy II no mpanjaka mahira-tsaina nahay nandanjalanja sy nanam-pandeferana ka nanafaka ny [[Jiosy]] tamin'ny [[Fahababoana tany Babilona|fahababoana tao Babilôna]]. Afaka nody any [[Palestina]] ny Jiosy hanamboatra indray ny [[Tempolin'i Jerosalema|tempolin'izy ireo]] izay noravàn'ny Babilôniana ao Jerosalema. Amin'ny ankapobeny dia tsy nitsabaka tamin'ny fomba amam-panao sy ny fivavahan'ny vahoaka isan-toerana i Kirosy II. Maty nandritra ny fotoana niadiany tamin'ny Masageta i Kirosy II. Nalevina tao Pasargaday izy ka mbola hita ao mandraka androany ny fasany. Ny zanany lahy [[Kambisesy II]] no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.
 
== Jereo koa ==