Liberio (papa): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy sy tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
 
Andalana faha-24:
 
=== Fodiana tany Rôma ===
Iray taona mahery taorian'ny fanapahan-kevitry ny emperora, mety talintamin'ny fahavaratry ny taona 358, dia nody tany Rôma i Liberio. Nandray azy tamin-kafaliana ny vahoaka, fa ireo namany mpobampomba ny fampianarana niseana toa an-dry [[Atanasiosy avy any Aleksandria|Atanasiosy]] sy i [[Hieronimo]] (na Jerôma) avy any Stridona ary i [[Hilario avy any Piktavio]] dia nihevitra fa fahadisoana lehibe ny fihemorany. Nanoratra i Hilario fa "tsy fantatra raha ny fanaovan-tsesitany an'i Liberio na ny fampodiana azy any Rôma no heloka bevava kokoa nataon'i Konstantio". Ny fanoheran'i Feliksa ny fodian'i Liberio dia noravan'ny mpino kristiana rômana sy ny Loholom-panjakana (Senata), ka fitsabahan'io andrim-panjakana io voalohany amin'ny raharahan'ny Fiangonana izany; tokony hisintaka any ainamin'ny tanàna ivelan'i Rôma i Feliksa dianefa hoatry ny nisy ihany ny fifanarahana teo amin'ny eveka roa tonta ary i Rôma dia nanana eveka roa teo anelanelan'ny taona 358 sy 365 nahafatesan'i Feliksa.
 
Izany zava-nitranga rehetra izany dia nahatonga ny Fiangonan'i Rôma halemy ka nahatonga azy tsy nanatrika ny konsily tao Riminy tamin'ny taona 359 izay nivorian'ny eveka rehetra aeaneran'ny tany Andrefana, izay nahatratra 400 any ho any, ka eveka hafa no nitarika ny fivoriana fa tsy ny an'i Rôma. Raha toa nanjaka manerana ny Empira ny arianisma homeana, ny fahafatesan'i Konstantio tamin'ny taona 361 dia nanova ny toe-java-misy. Na dia teo aza ny politikan'i [[Joliano (emperora)|Joliano]] izay misy fandeferana kokoa dia tsy nahafahan'i Liberio nanomboka zavatra lehibe ny fahaverezan'ny maha to teny azy. Na dia izany aza dia nihaniverina ny hasin'i Liberio ka lasa nanohana ny fampianarana nikeana amin'izay izy, ka nanafoana tamin'ny alalan'ny didy ny fanapahan-kevitra arianista natao tao Riminy, nefa niangavy ny eveka italiana mba l Liberio mba hiombona amin'ny eveka izay nankato ity konsily ity raha toa ka hanatakahanaraka ny fiekem-pinoan'i Nikea izy ireo. Mbola nanohana ny konsily manohitra ny arianisma sy ny homeôosiananhomeôosiana n'i Lampaska, izay nanohitra koa ny fanapahan-kevitra tao Riminy, tamin'ny taona 364 izy.
 
Nomarihin'ny fisian'ny filaminan'ny antoko mpifanohitra sy ny fifanatonana tamin'ny eveka tatsinanana izay nandray azy tamin'ny taona 365 na 366, izay tsy maintsy nanaja fepetra mitovy, ka nanamelohany ny [[sabelianisma]] noho ny fangatahan'izy ireo, nefa tsy nohelohiny manokana i Markelosy avy any [[Ankira]] izay nisarahan'i Atanasiosy. Na dia nihanahazo fankatoavan'ny maro aza i Liberio dia ny toe-javatra mikorontana izay nampiavaka ny fifandimbiasan-toerana tao Rôma taorian'ny fahafatesany (24 Septambra 366) dia toa manaporofo ny fahalemen'ny fitondrany.