Liberio (papa): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-19:
 
=== Fanaovan-tsesitany ===
Tao Milano, tao anaty fihaonana miserana tamin'i Konstantio, ny pretalaprelata rômana dia nanda indray ny hanameloka an'i Atanasiosy "raha tsy naheno azyny teniny" sady nitady ny fankatoavan'ny eveka tatsinanana ny fanekem-pinoan'i Nikea. Izany fihetsika izany dia tsy mamela ny hisian'ny fifanakalozan-kevitra ka nahatonga ny emperora hanao sesitany azy tamin'ny volana Jona 356 tany [[Tràka (balkanika)|Tràka]] any [[Beroia]] (na Berea). Nandritra ny volana maro tany an-tsesitany sy noho ny fandresen-dahatry ny eveka ariana Demofilo azy dia nihalefy ny fahenterana sy ny herin-tsain'i Liberio ka nanamaronanamora ny fialany amin'ny heviny izany: nanaraka ny fireham-pampianarana nandidian'ny emperora izy, nandefa taratasy maro tany amin'ny eveka manaiky ny arianisma mba hanazava fa maniry dia maniry ny hody any Rôma izy na inona na inona takalon'izany, ka tamin'ny farany izy dia nankato ny fanamelohana an'i Atanasiosy sy ny [[fiekem-pinoana voalohan'i Smirmioma]] — izay tsy manaiky ny firaisam-pomba na firaisa-maha izy azy (latina: ''consubstatialita'') lazain'ny fiekem-pinoana nikeana — tanàna namindrana azy tamin'ny taona 358.
 
Rehefa tsy teo i Liberio dia ny [[arsidiakra]] [[Feliksa II (antipapa)|Feliksa]] no nohosoran'i Eodoksa (eveka [[Hômeisma|homeana]] mpankasitraka an'i Konstantio) ho evekan'i Rôma, nefa tsy nisy antoka ara-teolojika nangatahina taminy. Ny emperora koa dia namerina sy nanamafy ny tombontsoa manokana sy ny fanomezam-pahalalahana ny mpitondra fivavahana ao Rôma tsy hanatanteraka zavatra sasany ho an'ny emperora sy ho an'ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana — ka mety isan'izany i [[Damaso I]] — izay nomba ny eveka vaovao. Ny [[diakra]] Orsino sy Amantio sy ny pretra maro hafa anefa tsy niala tamin'ny fanoavany an'i Liberio, ka nahatonga an'i Feliksa ho mpampizara fiangonana sy tsy ho tiam-bahoaka izany. Izany dia vavolombelona fa ny ady hevitra ara-teolojia dia tsy natokana ho an'ireo manam-pahaizana fa nadraynandray anjara tamin'ny fanambaràna teo anatrehan'ny emperora ny fitiavany ny evekany sy ny amin'ny foto-pampianarana nikeana ny mpino rômana. Ankoatr'Ankoatra izany dia nisy vehivavy manan-kaja maro teo amin'ny vahoaka rômana, nihaingo ka nirahina ho any amin'i Konstantio mba hangataka ny hampodiana an'i Liberio avy any an-tsesitany, ka nanaiky ny emperora mba hampitoniana ny tabataba tao an-tanàna, raha hiara-mitantana i Liberio sy i Feliksa.
 
=== Fodiana tany Rôma ===