Liberio (papa): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-12:
 
=== I Liberio, eveka niseana ===
Volana vitsy taorian'ny nahavoafidy eveka an'i Liberio dia namory sinoda tao Rôma izy izay niezahany hanamarinana an'i Atanasiosy (Atanazy), tahaka ny nataon'i Jolio eveka nodimbiasiny, alohan'ny hangatahany amin'ny emperora ny hanaovanan konsily lehibe ao [[Akoileia]] mba hamahàna ny tsy fifanarahana ara-telojia sy ara-pitsipi-pifehezana nampifanohitra ny eveka tatsinana sy ny eveka tandrefana. Noho izany dia namory sinoda tao [[Arelata]] (frantsay: ''Arles'') i Konstantio II, izay nankalaza tao koa ny fahatelopolo taonan'ny fitondrany (latina: ''tricennalia''), tsy tonga tao i Liberio fa nandefa solontena roa mba hanohana ny fikasany hampanao [[konsily]], nefa nomba ny fanamelohana an'i Atanazy ireto solontena roa ireto noho ny faneranafanerena azy ireo.
 
Nanda ny hoe nandefa solontena i Liberio ka niezaka nanetsika ny eveka italiana hanohitra ilay sinoda nampanaovin'i Konstantio II, ankoatry ny toe-javatra mihatra amin'i Atanasiosy, dia nanindry mafy izy fa ny [[fiekem-pinoan'i Nikea]] (na Nisea) izay nankatoavin'i Konstantino rainy no voatohintohina, dia nangataka tamin'i Konstantio ny hanaovana konsily lehibe vaovao izy, ka niresaka tamin'ny emperora amin'ny maha "evekan'ny Fiketrahana apostolika" (latina: ''sedes apostolica'') azy.
 
Nanaiky i Konstantio ka niantso konsily tao Milano, izay nisy ny toeram-ponenany maha emperora azy; nizotra nandritra ny fahavaratry ny taona 355 (ila-bolantany avaratra) izany konsily izany, izay nahavory ny ankamaroan'ny eveka tao amin'ny fiangonana tandrefana. Nandefa an'i Losifera avy any Karalisy (italiana: ''Cagliari''; latina: ''Caralis''), niaraka tramintamin'ny [[pretra]] Pankratio sy ny [[diakra]] Hilario, i Liberio, nefa tsy nisy zavatra noresahina tamin'izany afa-tsy ny fanamelohana an'i Atanazy, izay tsy nankasitrahin'ireo solontena avy any Rôma, izay nasesitany tany Atsinanana niaraka tamin'ny mpanoha riana hafa, araka ny didin'i Konstantio. Niezaka nitaona an'i Liberio hitovy fijery aminy ny emperora ka nandefa iraka (dia ny [[eonoka]] atao hoe Eosebio) tany aminy, nampitondra vola ho an'ny mahantra any amin'ny Fiangonana romana ny emperora. Tsy nanaiky hovidina tahaka izany i Liberio izay notohanan'ny mpitondra fivavahana teo an-toerana izay mbola niray hina, ka nandroaka ny iraky ny emperora any ivelan'ny [[bazilika Masindahy Piera]] izay saika hametrahan'io iraka io ny fanomezana avy amin'ny emperora teo amin'izay ataon'ny lovantsofina ho fasan'i Masindahy Piera (na [[Petera|Piera]]). Nanapa-kevitra ny handrava izany fanoherana izany i Konstantio ka nandidy ny solontenam-panjakana nitondra an'i Rôma atao hoe Flavio Leontinio mba hisambotra an'i Liberio izay efa nalaina ankeriny mandritra ny alina ka nentina tany Milano tamin'ny fararanon'ny taona 355 (any amin'ny ila-bolantany avaratra), mba tsy hisian'ny savorovorom-bahoaka.
 
=== Fanaovan-tsesitany ===