Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-51:
 
=== Ny toetra ankapoben'ny tonon'andro ===
Misy "tsara" sy "ratsy" ny vintana na ny tonotonon'nandroandro. Arakaraka ny zavatra kasaina hatao no mety hahatsara na haharatsy ny tonon'andro iray, na dia mety ho tsara na ratsy amin'ny ankapobeny aza. Ohatra, ny vintana [[Alakaosy]] dia vintana malaza ho ratsy, nefa andro tsara anandratana ody ny tsinam-bolan'ny volana Alakaosy (vava Alakaosy) izay atao hoe Alakaosibe. Na dia vintana ratsy amin'ny ankappobeny aza ny Alahasaty dia heverina fa toniontonon'andro tsara ny vody Alahasaty satria ny zaza teraka amin'io dia ho tratra antitra ary tonon'andro tsara ho fisantaran-javatra sy fampakaram-bady koa ny amin'io.
 
Misy koa ny tonon'andro na vintana mahery na maivana. Ny [[renivintana]] rehetra dia inoana fa vintana mahery. Misy koa anefa [[zanabintana]] inoana fa mahery. Malaza ho vintana mahery indrindra ny Alahamady (renivintana) sy ny Alakaosy (nefa zanabintana). Vintana mahery ihany koa ny Adizaoza (zanabintana) sy ny Asorotany (renivintana) sy ny Adimizana (renivintana) ary ny Adijady (renivintana). Ny Alohotsy dia inoana ho vintana maivana.