Kôntinenta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-12:
 
Indraindray dia isaina ho kontinenta manokana i [[Antarktika]].
 
== Afrika ==
I Afrika dia manana velarana mirefy 30 221 532 km<sup>2</sup> miaraka amin'ny [[nosy]] manodidina azy. Mahatratra hatramin'ny iray lavitrisa ny isan'ny mponina ao aminy tamin'ny taona 2010. I Afrika dia voafaritry ny [[Ranomasina Mediteranea]] any avaratra, ny [[Lakandranon'i Suez]] sy ny [[Ranomasina Mena]] any avaratra atsinanana, ny [[Ranomasimbe Indiana]] any atsinanana ary ny [[Ranomasimbe Atlantika]] any andrefana. Misy firenena 48 miaraka amin'i Madagasikara, ary 53 miaraka amin'ny [[tamba-nosy]] rehetra I Afrika. Mamaky an'i Afrika ny [[Fehibe|Fehiben-tany]] sy ny ny zana-pehintany roa.
 
== Amerika ==
I Amerika dia kontinenta faritan'ny ranomasimbe [[Ranomasimbe Pasifika|Pasifika]] any andrefany, ny ranomasimbe [[Ranomasimbe Atlantika|Atlantika]] any atsinanany, ny ranomasimbe [[Ranomasimbe Arktika|Arktika]] any avarany ary ny ranomasimbe Atsimo any atsimony. Ny faritra tena misongadina dia i [[Amerika Avaratra]] sy i [[Amerika Atsimo]]. izay heverina ho samy kontinenta mahaleo tena avy indraindray. Ny velarantaniny dia 42 tapitrisa km<sup>2</sup> ary ny isan'ny mponina dia 930 tapitrisa eo ho eo tamin'ny taona 2009.
 
== Azia ==
<br />
 
== Eoropa ==
I Eorôpa dia ao amin'ny ila-bolantany avaratra sady manana ny ampahany be amin'ny taniny ao amin'ny ila-bolantany atsinanana, izay voafaritry ny kontinentan'i [[Azia]] avy ao atsinanana, ny [[Ranomasina Mediteranea]] avy ao atsimo, ny [[Ranomasimbe Atlantika]] sy ny [[Ranomasin'i Norvezy]] avy ao andrefana, ary ny [[Ranomasimbe Arktika]] avy ao avaratra i Eorôpa.
 
Matetika dia zaraina ho faritra efatra i Eorôpa ka ahitana an'i [[Eorôpa Avaratra]], i [[Eorôpa Andrefana]], i [[Eorôpa Afovoany]], i [[Eorôpa Atsinanana]] ary i [[Eorôpa Atsimo]]. Misy [[firenena]] dimampolo ao Eorôpa, ary i [[Rosia]] no ngeza indrindra amin'ireo, ary i [[Vatikàna]] no firenena kely indrindra.
 
== Ôseania ==
<br />
 
== Antarktika ==
I Antarktika dia ilat kontinenta misy ny [[Tendrontany Atsimo|tendrontany atsimo]]. Manana velarantany 14 tapitrisa km<sup>2</sup> izy. Ny 98%n'ny velarantaniny dia [[ranomandry]] manana hatevina mety mahatratra 1 600 m. Mangatsiaka sy maina ary be rivotra indrindra eto an-tany i Antarktika. Zavamaniry sy biby mahazaka ny hatsiaka sy ny aizaina ary ny hamaina ihany no miaina any.
[[Sokajy:Kontinenta| ]]