Fiteny espaniôla: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Fiteny espaniola ho Fiteny espaniôla i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-8:
[[Sary:Map-Hispanophone World.png|250px|ankavanana|thumb|Manga : firenena miteny espaniola (teny ofisialy)<br />Manga mazava : firenena na [[faritany]] misy olona miteny espaniola, fa tsy ofisialy any ilay teny]]
 
Ny '''fiteny espaniolaespaniôla''', na koa '''fiteny kastilianina''', dia fiteny iray ao [[Eoropa]]. Io fiteny io dia ao amin’ny vondrona [[Fiteny rômana|rômana]], ao amin'ny [[Fiteny indô-eorôpeanina|fianakaviam-piteny indô-eorôpeanina]]. Miaraka amin’ny [[fiteny frantsay]] sy [[Fiteny italianina|italianina]] ary [[Fiteny pôrtogey|pôrtogey]], io fiteny io no anisan’ny fiteny nisampana avy amin'ny [[fiteny latina]], fiteny taloha nampiasaina manerana an’i Eoropa sy i [[Azia Andrefana]] amin'ny fifandraisana.
 
Ny fiteny espaniola dia avy amin’ny fiteny latina, ary niavaka tamin’ilay fiteny latina ny fiteny espaniola taloha nanomboka tamin’ny taonjato faha-9, noho ny havitsian’ny fifandraisana tamin’ny taona afovoany. Ao amin’ny faritra afovoan’i [[Espaina]] no niavian’ny fiteny kastilianina ankehitriny. Ary tsy io irery no fiteny notenenina ao amin’ny [[Saikanosy Iberika]] nanomboka tamin’ny fisarahany tamin’ny fiteny latina hatramin’izao fotoana izao: ao ny fiteny pôrtogey, izay tenenina any [[Pôrtogaly]] ary any [[Brazila]], ao ny [[fiteny katalàna]], izay tenenina any [[Katalonia]], manan-drenivohitra an'i Barselona, ao ny fiteny eoskarata izay tenenina any amin’ny farany andrefan’ny Pirenea, ao koa ny [[fiteny galisiana]] izay anisan’ny fiteny niavian’ny fiteny pôrtogey any Galisia.