Akemenida: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Empira akemenida''' na '''Fanjakana akemenida''' dia fanjakan-dehibe nanapaka tany [[Persia]] tamin'ny taona 550 hatramin'ny 330 tal. J.K. Ny Akemenida dia atao hoe ''HaxāmanišiyaHakhāmanišiya'' amin'ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana taloha]].
 
Araka ny angano akemenida dia i ''HaxāmanišHakhāmaniš'' izay antsoin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''Ἀχαιμένης / Akhaimenês'', izay mety niaina tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-7 tal. J.K., no razamben'ny Akemenida, hoy ny soratra persiana akemenida. Izy no voalaza ho mpanjaka voalohany nanapaka an'i Ansana ([[Fiteny someriana|someriana]]: ''Anzan''), izay faritany notapahin'ny [[Mediana]] (na Meda).
 
Ny ankamaroan'ny mpikaroka tantara ankehitriny anefa miaiky fa ny tena mpanorina ny empira akemenida dia i [[Kirosy Lehibe]], izay nanapaka ny fanjakana persiana nanomboka tamin'ny taona 550 tal. J.K. Rehefa tonga tamin'ny fara tampony ny herin'ny empira akemenida tamin'ny andron'i [[Dariosa I]] (na Dariosy I) tamin'ny taona 521 hatramin'ny 486 tal. J.K. dia nanitatra ny faritra nanjakany ny Akemenida ka nivelatra hatrany amin'ny renirano Indosy, hatrany Libia, hatrany Traka (na Trake), hatrany amin'ny [[Ranomasina Mainty]], hatrany amin'ny [[Ranomasina Kaspiana]] ary hatrany amin'ny [[Ranomasin'i Araly]] any amin'ny [[Helodrano persika|Helodrano Persika]] izany.